Songadim-baovaoSosialy
IKELIVONDRAKA DISTRIKAN’IHOSY : Nahazo fonja vaovao mahazaka voafonja 480 sy manaraka ny fenitra fanajana ny zon’olombelona
Ho fanatanterahana ny Andry voalohany sy fahatelo napetraky ny Filohan’ny Repobika, dia ny fanomezan-danja ny maha olona, Fanjakana tsara tantana sy ny tany tan-dalàna, dia natsangana ny fonja vaovao manara-penitra ao Ikelivondraka, distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe, ary natolotra sy nosokafana omaly. Napetraka tamin’ny toerany ihany koa ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny TPI Ihosy…
Fonja manana fiarovana manokana na « Prison de Haute Sécurité » goavana no natolotra ho ampiasain’ny Minisiteran’ny Fitsarana ao Ikelivondraka, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe, omaly 14 febroary 2025. Manana Velaran-tany mirefy 6 506,04 m² mamaritra ny toerana, ka ny 4 201,84 m² amin’izany no nanorenana ny Fonja. Araka ny fenitra iraisam-pirenena dia mahazaka voafonja miisa 480 ny toerana, ary ahitana efitrano miisa 16 antonona voafonja 30 isaky ny efitra. Manaraka ny fenitra tanteraka ity fonja vaovao ao Ihosy ity, satria mampiasa ireo fitaovana avo lenta toy ny fakan-tsary andrimaso, misy « extincteur autonome », « micro » azo hifampiresahana. Ahitana toeram-pitsaboana ho an’ny marary ihany koa izany, ary birao fiasan’ny Mpandraharahan’ny fonja, toy ny efitra fitehirizana fanafody, toeram-pamangiana manaraka ny fenitra, toeram-pivavahana Lasapely, toerana fanaovana fanofanana arak’asa, toeram-pisakafoanana lehibe, toeram-pidiovana lehibe, fikarakarana sakafo, ary tokontany goavana ahitana kianja filalaovam-baolina. Fahatelo amin’ny fonja vaovao naorina teto Madagasikara izay manana fiarovana manokana azy ny ao Ihosy ity, ary fonja manara-penitra fahafito kosa, raha ny ao Ikelivondraka, amin’ireo fonja natsangan’izao Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry izao.
Hanarenana ireo mpandika lalàna…
Nomarihan’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, fa natao ny fonja mba hanarenana ireo izay nania teo anivon’ny fiarahamonina, fa indrindra ho an’ireo mandika lalàna sy manao heloka toy ny mpangalatr’omby, ny mpanao fakàna an-keriny, sy ny sisa. Nambarany, fa « mila mijoro isika ao anatin’ny fahitsiana, ary mila mijoro isika amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Tetsy andanin’izany koa, nohamafisin’ny Minisitry ny fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, nandritra ny fandraisam-pitenenany ihany koa, fa anisany fanatanterahan’ny Ministeran’ny Fitsarana ireo vinam-pampandrosoana araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, fa indrindra ny fijerena ny maha olona izay hita ao amin’ny Andry voalohany napetraky ny Filoha, na dia olona nania teo anivon’ny fiarahamonina aza, izy ireo. Faharoa ny fametrahana ny Fanjakana tsara tantana sy ny tan-dalàna, izay tafiditra anatin’ny Andry fahatelo. Fantatra, fa tokana ny tondrozotran’ny Minisitra, dia ny ady amin’ny kolikoly, satria nambarany, fa “raha miady amin’ny kolikoly ny olona dia mandroso ny firenena, ary hiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy”. Maro ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy amina Andrimpanjakana samihafa, no nanotrona izao lanonam-panolorana fonja vaovao izao tany an-toerana. Omaly, no nanolorana ny Fonja tao Ikelivondraka ity tamin’ny fomba ofisialy, ary ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian no nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika nanatanteraka izany.
Encadré:
Napetraka tamin’ny toerany ihany koa ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Ihosy, ny alakamisy 13 febroary lasa teo, dia Ramatoa Bernako Minerva. Ity tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny TPI Ihosy, izay namariparitra ny politika izay isany laharam-pahamehana anatin’ny Fampanoavana manomboka izao. Anisan’izany ny herisetra mikasika ny maha lahy sy ny maha vavy, ny heloka mikasika ny mamoafady toy ny fanolanana, ny halatr’omby, ary ny fanimbana ny tontolo iainana toy ny fandorana tantety, ary ny vono olona. Ankoatr’ireo dia laharam-pahamehana ihany koa ny ady goavana amin’ny kolikoly. Nambarany, fa manan-jo harovan any tsirairay, ary zon’ny tsirairay ihany koa ny hilamin-tsaina. Nanome toky ity farany, fa ho toeram-pikarohana ny marina sy hialofan’ny malemy ny Fitsarana.
Stan R.




