Songadim-baovaoSosialy

RANO MIAKATRA ATERAKY NY ROTSAK’ORANA: Tafakatra 3 796 ny traboina, manatombo ny ao Atsimondrano

Mbola anatin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana hatrany ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina amin’izao fotoana, raha ny tomban’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, hatramin’ny omaly. Vokatr’izany, raha ny rotsak’orana nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nitombo hatrany ny traboina noho ny fiakaran-drano, fa indrindra manamorona ny renirano eto Antananarivo.

Tafakatra 3 796 ny antontanisan’ireo traboina, raha ny tatitry ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), omaly tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Tokantrano miisa 941 no mandrafitra ireo traboina, ka ny ao Antananarivo Atsimondrano no maro an’isa amin’izany, izay mahatratra 3 780. Ahitana izany koa eto Antananarivo Renivohitra, miisa 26, ary Distrikan’Ambohidratrimo 09, raha ahitana 16 ihany koa ao Ifanadiana. Tsy nisy ny olona namoy ny ainy sy ny tsy hita popoka, na ny naratra vokatr’izay fiakaran’ny rano izay, hatreto. Nisy ireo olona nafindra toerana azo antoka miisa 2 776, ary toerana miisa dimy no nametrahana azy ireo. Anisan’izany ny ao Atsimondrano, raha nisy ireo efa noraisin’ny fianakaviany an-tanana. Efa nisy, ary mitohy hatrany ny fanampian’ny Fitondram-panjakana ireo olona traboina amin’izao fotoana, raha tsiahivina. Ankoatr’izay dia misy ny fahasimbana vokatr’ity rotsak’orana misesy amin’izao fotoana ity, izay mahatratra 721 ny trano dibo-drano. Miisa dimy ny trano niharam-pahavoazana, raha 05 no simba tanteraka.

Foana ny filazana loza mitatao…

Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny APIPA izay misahana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano, dia nilaza, omaly maraina tamin’ny 07 ora, fa “Foana ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny fiakaran’ny rano. Etsy an-kilan’izany kosa, dia voalaza tamin’io fotoana io hatrany, fa mihatra ny Fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano, izany hoe loza manambana, ho an’ny mety ho fiakaran’ny reniranon’i Sisaony. Nihena araka izany, ny renirano taorian’ny fiakarana be nanomboka ny zoma alina sy ny sabotsy tontolo andro, raha ahina indray ny mety ho fiakaran’izany, anatin’ny rotsak’orana misesy voavinavina. Ireo kaominina voakasika amin’izay filazana loza manambana izay, dia eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’izany ny ao Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambvahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Raha ny vaovao tselatra nasehony tao amin’ny pejy “facebook” APIPA indray, omaly tolakandro, dia nanambara hatrany ny fampitandremana miloko mavo na filazana loza manambana. Tokony ho mailo hatrany araka izany, ny rehetra, ary hihaino tsy tapaka ny vaovao avy amin’ny alalan’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra mikasika ny toetr’ireo renirano mandalo eto Antananarivo mandritra izao fiavian’ny orana izao.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer