
Manokana Covid-19
CCO-SIDINA ANABAKABAKA: “Hahiboka hatramin’ny 72ora ireo mpandeha vao tonga”
Raha efa nanapa-kevitra amin’ny fahafahan’ireo zotra anabakabaka mandeha eto Madagasikara, ny fitondram-panjakana, dia nandray fanapahan-kevitra mifandraika indrindra avy amin’izany ny teo anivon’ny Foibem-pibaikoana covid-19 (CCO), niaraka tamin’ireo kaompania eo anivon’ny Air Madagascar, sy ny Tsaradia, mbamin’ireo kaompania tsy miankina, ho fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina, noho ireo mpandeha navela hamonjy fodiana hatrany teo aloha, mandra-piandry ny valim-pitiliana covid-19. Tapaka nandritra izany, fa hahiboka 48ora ka hatramin’ny 72ora ireo mpandeha avy amin’ny faritra rehetra tonga eto Antananarivo sy any amin’ny faritra hafa, mandra-pivalin’ny fitiliana fakana singa (PCR) natao tamin’izy ireo teo am-pahatongavana eny amin’ireo seranam-piaramanidina.

Nohamafisin’ny Mpandrindra ankapoben’ny CCO, Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, fa “toy ireo mpandeha rehetra avy any ivelany handraisana fepetra fitiliana, ireo mpandeha vao tonga mamonjy fodiana avy hatrany ireny no tsikaritra fa manaparitaka valanaretina noho ny tsy fisian’ny fitiliana amin’ireo faritra vitsivitsy, rehefa tsy hita dieny eny am-pahatongavana, ka antony nahatonga izao fahamailoana nandraisana fanapahan-kevitra manohy ny an’ny fitondram-panjakana izao”. Mitohy hatrany kosa ny fitiliana any am-piaingana, ary afaka mandeha ireo nanana valim-pitiliana niiba, raha handraisana fepetra ireo nahitana fiaboana. Ireo kaompaniam-pitaterana anabakabaka rehetra ity fanapahan-kevitra ity, raha ny fantatra. Nanentana ireo kaompania tsy miankina rehetra ihany koa ny CCO, mba hitoby avy hatrany eny amin’ny fitobian’ny fiaramanidina misy ireo mpisehatra ara-pahasalamana manao ny fitiliana, hanamora ny fandaminana. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany koa, fa hatramin’ny zoma izao ihany no farany hanaovana fitiliana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, fa mitohy eny amin’ny ivon-toeram-pitiliana LA2M Androhibe izany, hanafainganana ny fitiliana. Mikasika ilay lelavola 100 000 Ariary saram-pitiliana PCR indray, dia nanentanan’ny Jeneraly ireo mpandeha, fa eny amin’ireo kaoperativa handehanan’izy ireo no haloa ny vola fa tsy eny am-pahatongavana.