Fanatanjahan-tenaNon classé

FEDERASIONA MALAGASIN’NY GOLF: Nanolotra ny drafitrasa hotanterahana mandritra ny taona

Toromarika nomen’ny Filoha Andry Rajoelina ny tokony hanampiana hatrany sy handraisana an-tanana ny filàn’ireo federasiona rehetra satria izy ireo no miaro ny voninahi-pirenena rehefa misy fifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mba hahafahana misitraka izay fanampian’ny Fitondram-panjakana izay anefa dia isan’ny fepetra apetraka ny fanolorana any amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ministera miahy ny lafiny fanatanjahantena, ny drafitrasa hotanterahana mandritra ny taona na ny «plan de travail annuel». Noho izany dia nahavita ny fanolorany io drafitrasa io omaly ny avy amin’ny Federasiona Malagasin’ny taranja Golf. Nanao fitsidihana ara-pirahalahiana sy nitarika ireo mpiara-miasa aminy tamin’izany ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Golf Maminiaina Ravatomanga. Natolotra niaraka tamin’izany ihany koa ireo antota-taratasy mirakitra ny rafitry ny federasiona, sy ny antota-taratasy ahitana ireo mandrafitra ny komity mpanatanteraka ary ireo mpikambana amin’ny biraon’ny federasion’ny Golf. «Atao mitovy tantana daholo ny federasiona», hoy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah rehefa nadray ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Golf ireo. Tamin’izany no nifampizarany ireo vina napetraky ny Filoha momba ny fanampiana ny federasiona ireo.

Maro ireo lalao sy asa voafaritra ao anatin’io drafitrasa natolotry ny federasiona malagasin’ny Golf io, araka ny fanazavan’Atoa Maminiaina Ravatomanga. Voafaritra ao avokoa ireo hetsika hotanterahana amin’ity taona ity sy ny hatramin’ny efa-taona ho avy. Amin’ny volana aprily, ohatra, dia handray anjara amin’ny lalao hifaninanan’ireo vehivavy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy avy amin’ny firenena aty Afrika (Ladies Cup) ny ekipam-pirenena Golf vehivavy. Toy ny taranja rehetra dia vina hapetraka ny hamiratra sy ny ho tompon-daka aty amin’ny faritra misy antsika, aty Afrika, hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho fanatrarana izany dia isan’ireo tanjona hapetraky ny federasiona ihany koa ny hampivoarana sy hampitomboana hatrany ireo kianja filalaovana. Kianja iray aloha hatreto no nahazo fankatoavana. Manana kianja maromaro azo hanatanterahana fanazaran-tena ihany koa isika. Antenaina hatrany ny hivoaran’io taranja Golf io eto Madagasikara.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer