Fanatanjahan-tena
DINGANA FANKATOAVANA NY KIANJA BAREA: Mampitandrina manoloana ny fiparitahan’ny tsaho ny federasiona
Tontosa ny 12 ka hatramin’ny 14 febroary 2025 teo ny fizahana ny Kianja Barea Mahamasina. Ankehitriny dia miandry ny fanapahan-kevitra sy ny valin-teny avy amin’ny CAF isika amin’ny fahazoan’ny kianja fankatoavana na tsia, handray lalao iraisam-pirenena, hoy ny teo anivon’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra. « Noho izany, manentana antsika mba ho tony eo ampiandrasana izany valin-teny izany. Mampirisika ny rehetra mba hitandrina amin’ny tsaho sy vaovao diso. Ary ampatsiahivina isika fa ny pejy ofisialin’ny Federasiona malagasy ny Baolina kitra (FMF) ihany no mamoaka ny vaovao ofisialy », hoy ny fanambarana.
Matoky fa hahazo fankatoavana
Tsiahivina fa notanterahina nandritra ny 2 andro ny asa fitsirihana nataon’ny Inspecteur ny CAF sy teknisianin’ny FIFA. Nojerena tamin’izany ny lafiny rehetra mikasika ny kianja (ny fotodrafitrasa, ny fampitaovana ara-teknika rehetra, ny fomba fampiasana azy, ny lafiny fiarovana…) ary koa ireo teboka 9 fanatsarana ny fiarovana ka nanaovana fanamarihana tamin’ny fitsirihana farany izay efa vita avokoa. Araka ny fanazavana avy tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (Senvh) dia nahafapo ny mpitsirika ny asa rehetra natao ary nisy ireo sosokevitra hanatsarana hatrany ny fiasan’ ny kianja : vaovao tanteraka ny bozaka filalaovana tolotanana avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nampidinina eny amin’ny piste ny gradin ka nahazo toerana 800 vaovao ary mbola hotohizana izany araka ny toromarik’Atoa Filoham-pirenena ka hanana toerana 1600 vaovao ny kianja. Nampiana vavahady fivoahana manokana 2 sy nametrahana tourniquets ny vavahady fidirana 4 lehibe mba hanajana ny fenitry ny fiarovana ary nasiana fiarovana amin’ny orana ny tribune natokana ho an’ny mpanao gazety araky ny fangatahan’ny CAF izay fiaraha-miasa tamin’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra.
Nampiana ny fampitaovana manokana ho an’ny infirmerie sy ny salle de contrôle anti- dopage. Nanaovana fandaminana manokana ny loges VIP. Nitarina ny vestiaires 4 mba halalaka kokoa ao anatiny. Marihina fa mahatratra ny hahavo sokajy 4 ny kianja raha ireo fepetra rehetra napetraky ny CAF no jerena. Matoky ny SENVH Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana mpiandraikitra ny asa sy ny kianja fa ho afaka mandray fifaninanana iraisam-pirenena satria tsara sy raitra ary manana ny fenitra rehetra izany raha ampitahaina amin ireo kianja aty Afrika. Hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Fédération Malagasy de Football sy FIFA ary ny SENVH Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana amin’ny fikojakojana ny bozaka filalaovana. Nanamafy ny Senvh fa matihanina tanteraka ny fitantanana ny kianja na ny fahadiovana na ny filaminana ka mila tandrovina mandrakariva.
LR.




