PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA JEAN LUCE RANDRIAMIHOATRA: Sazy mihatra telo taona an-tranomaizina no nomen’ny fitsarana azy
Nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha maha voasaringotra an’i Jean Luce Randriamihoatra. Telo taona an-tranomaizina sazy mihatra no nomen’ny fitsarana azy. Tsiahivina fa efa nitondra fanazavana Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, mikasika ny raharaha Jean Luce Randriamihoatra.
Raha hiverenana tokoa ny tranga, ny sabotsy 21 desambra 2024 dia namoaka tao amin’ny kaonty facebook-ny ny voampanga, Jean Luce Randriamihoatra, ary nolazainy tao fa ny kandidà Ravalomanana Tojo dia nahazo ny salanisa 42,21% raha ny kandidà Ramanantsoa Harilala no nahazo ny salanisa 43, 24% araka ny voka-pifidianana vonjimaika izay navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Marihina fa io voapanga io dia teknisianina mpahay informatika (informaticien) ary isan’ny mpikambana tao anatin’ny “comité adhoc” nanao ny famolavolana sy ny fitsirihana ny tranonkalan’ny ceni.
Efa fanaony
Rehefa nohadihadiana teo anatrehan’ny mpitsara ingahy Jean Luce Randriamihoatra dia niaiky fa niditra tao anatin’ny “serveur” an’ny Ceni, ary sady efa ela no efa imbetsaka izy no niditra tao, raha ny nivoitra. Izany hoe tsy vao tamin’io 21 desambra io izy no niditra tao fa efa fanaony tany aloha. Ankoatra izay, rehefa nosavaina ny solosaina nampiasain’ny voapanga dia nahitana “capture” na sarin’ny “Code root du serveur” an’ny tranonkalan’ny ceni. Tetsy ankilany, ny 5 aogositra 2024 dia namoaka tao anatin’ny kaonty facebook-ny ny voapanga izay manao hoe “taratry ny fitondrana, mivoaka an-tsokosoko miditra an-tsokosoko, jiraman-doza”. Niaiky ihany koa fa namoaka ireo teny ireo tao anatin’ny kaontiny ny voapanga.
Vesatra iampangana azy
Eo anoloan’ireo tranga rehetra ireo dia isan’ny vesatra iampangana an’i Jean Luce Randriamihoatra ny fidirana an-tsokosoko tao anaty “systeme d’information” izay voatondro ary faizin’ny andininy fahatelo ary fahenina ao amin ‘ny lalàna faha 2014.006 tamin’ny 17 jolay 2012 mikasika ny ady atao amin’ny “cybercriminalité”, izay mety hahavoasazy azy handoa lamandy 100 000 ariary hatramin’ny 10 tapitrisa ariary. “Eo koa ny fampidirana na fanovana “donnée informatique” mba inoana fa marina izany donnée diso izany, izay voatondro faizin’ny andininy fahatelo, fahadimy, ary fahasivy ao amin’ny lalàna voalaza etsy ambony, ary mety hahavoasazy ny voapanga 2 taona ka hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ary mandoa lamandy 2 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 10 tapitrisa ariary”, hoy hatrany ny tatitra. Ary mbola vesatra iampangana azy koa ny fanohintohinana ny filaminana anatiny, indrindra ny fanovana ny voka-pifidianana navoakan’ny ceni aradalàna, ka miteraka fanakorontanana eo amin’ny sain’ny mpifidy, ary mandrisika ihany koa ny vahoaka hikomy amin’ny jirama sy ny fitondrana tamin’ny publication izay navoakany. Izany dia voalaza sy voatondron’ny andininy faha-91, andalana faha 3 sy faha-42 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana fa mety hahavoasazy 1 taona ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina.
Noho ireo vesatra rehetra ireo no namoahan’ny Fitsarana didy famonjana azy telo taona an-tranomaizina.
Nangonin’i LR.




