Non classé

AKON’NY ROTSAK’ORANA MISESY: Tafakatra 07 no maty, 13 159 traboina

 

Tsy mitsaha-mitohy ny rotsak’orana eto afovoan-tany. Mitombo manaraka izany ny isan’ny traboina. Nisy aza, fahafatesan’olona, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny BNGRC, omaly hariva, tamin’ny 04 ora sy sasany. Olona 07 no maty, ka ny 01 tao Ambohidratrimo, 01 Manjakandriana, 02 Antananarivo Avaradrano, ary 03 tao Nosy Varika. Tsy nisy ny tsy hita popoka, raha 01 avotr’aina soa aman-tsara tao Sahavato Nosy Varika. Olona iray naratra. Miakatra hatrany ny isan’ireo traboin’ny tondra-drano, ka mahatratra 13 159 izy ireo tamin’io ora voalaza io, izay mandrafitra tokantrano 3 350. Ny 11 152 amin’ireo dia ato amin’ny Faritra Analamanga avokoa, raha 91 ao Vatovavy, ary 12 ao Amoron’i Mania. Olona miisa 7239 na tokantrano 2 071 nafindra no efa niala ny trano fonenany ka nafindra amina toerana azo antoka amina toerana 18 misy fandraisana an-tanana. Ny 07 amin’izany ao Antananarivo Atsimondrano, izay misy traboina 2 905, 07 ato Antananarivo Renivohitra, izay misy traboina 2 384, ary 01 ao Ambohidratrimo misy 08, 03 Morondava, misy 1 904. Olona miisa 46 kosa, no efa namonjy fianakaviana sy olom-pantatra. Nitombo koa ny fahavoazana ara-potodrafitrasa, ka trano 2 981 tondra-drano, 05 niharam-pahavoazana, ary 10 rava tanteraka.

Raha ny filazana fandehan’ny renirano eto amin’ny Lemak’Antananarivo, izay voalazan’ny APIPA, tamin’ny alalan’ny filazana faha-47, omaly tamin’ny 04 ora hariva, dia misy ireo toerana nahazo filazana loza manambana amn’ny fiakaran’ny rano. Toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina no voakasik’izany, izay manamorona ny reniranon’i Sisaony, Ikopa, ary ny reniranon’i Mamba, raha ny fampitam-baovao voaray.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer