
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AFROBASKET 2025: Nahazo ny tapakila ny Ankoay an’i Madagasikara
Anisan’ireo firenena 16 hiatrika ny Afrobasket 2025 andiany faha-31 hotanterahina any Angola ny 12 Aogositra hatramin’ny 24 Aogositra 2025 izao ny Ankoay an’i Madagasikara. Resy indroa ary nandresy indray ny Ankoay an’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanan’ny Afrobasket 2025 notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nitana ny laharana faha-3 ny Ankoay an’i Madagasikara tao amin’ny vondrona D, i Côte d’Ivoire no nitarika, faharoa i Egypt ary mamarana ny laharana i Centrafrique, izay hany nihitsana tao amin’ny vondrona D. Lavon’i Côte d’Ivoire 106 – 73 tamin’ny andro voalohany, nandresy an’i Egypt 82 – 80 ary resin’i Centrafrique 87 – 75 tamin’ny andro fahatelo.
Raha ny tantaran’ny Afrobasket na fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny Basket-ball lehilahy dia, niorina tamin’ny 1962, ary natao isaky ny roa taona talohan’ny taona 2017. Nanomboka tamin’io taona io kosa dia niova isaky ny efatra taona no fikarakarana azy. Mandray anjara amin’ny fifanintsanana ireo firenena afrikanina maro, saingy 16 monja no tafakatra amin’ny dingana famaranana.
Hatramin’izao, dia i Angola no manana firaketana fandresena betsaka indrindra, efa nahazo ny tompondaka in-11. Amin’izao fotoana izao kosa dia i Tunisie no mitana ny anaram-boninahitra farany.
Nanamarika ny mpanazatra ny Ankoay an’i Madagasikara Nônô na i Jeannot Ravonimbola fa fohy ny fotoana nanomanana sy niarahan’ireo mpilalao avy any ivelany sy avy eto an-toerana. Nolazainy ihany koa fa nanana lesoka be teo amin’ny Rebonds sy ny tirs ny Ankoay nandritra ny fifanitsanan’ny Afrobasket 2025 ity.
Njaratiana




