Songadim-baovao
FAMANGIANA ANATY HAMEHANA Voarara ny fandehanana eny amin’ny hopitaly
Mbola mitombina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana eto amintsika, fa indrindra ny fanajana ny elanelana iray metatra raha kely, tsy hiparitahan’ny valanaretina. Voalaza ombieny ihany koa, fa anisan’ireo olona marefo dia marefo ny vehivavy mitondra vohoka efa akaiky ho teraka, ary koa ireo efa teraka mbola mijanona eny amin’ny hopitaly. Maro amin’ny olona no tsy ahitana soritraretina ety ivelany, fa miriaria eny rehetra eny, tonga hatrany am-pamangiana tera-bao eny amin’ny hopitaly, fa indrindra ny etsy Befelatanana, izay mampitaraina ireo mpitsabo eny an-toerana. Nambaran’ny Talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dokotera Rakotoarivony Manitra, fa mitobaka izay tsy izy ireo mpamangy tera-bao etsy amin’ny hopitaly Befelatanana, amin’izao fihenan’ny fihibohana izao. Metsy ho tsy voatandrina, anefa, izay famangiana izay, ka antony nandraisana fepetra, fa “tsy azo atao aloha ny fitsidihana marary, fa indrindra tera-bao eny anivon’ireo hopitaly, hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina ity”. Ny mpanatitra sakafo sy mpikarakara ireo marary ihany, araka izany, no afaka sy homena alalana hifamezivezy eny amin’ireny toerana ireny. Na izany aza, tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana hatrany izy ireo. Ao ny tsy fanalana arotava sy orona rehefa ao amin’ny hopitaly, eo koa ny fanasan-tanana matetika ho an’ireo mpikarakara manakaiky ireo tera-bao sy mpikarakara mpiteraka. Hajaina tsara ihany koa ny elanelana amin’izy ireny, satria mbola marefo mila fitandremana izy ireny. Ho fiarovana ireo marefo ara-pahasalamana rehetra no nandraisana ireo fanapahan-kevitra izao, raha ny nambaran’ny dokotera Manitra nandritra ny fandaharana manokan’ny CCO, omaly. Tsy ny etsy Befelatanana ihany, fa natao ho an’ireo hopitaly sy toerana misy mpiteraka ity fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsabo ity.




