PolitikaSongadim-baovao
FAMONOANA NY BEN’NY TANANAN’I MANGATABOAHANGY: Resaka harena an-kibon’ny tany no ahina ho ambadika
Mbola vaovao mitana ny sain’ny maro hatreto ny raharaha famonoana an’i Rasazy Narindra, Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny Kaominina Mangataboahangy, Distrikan’Ambatofinandrahana. Nilaza omaly ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tamin’ny fotoana nanatanterahan’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona famangiana ny fianakaviana, fa tsy asan-jiolahy tsotra na fankahalana fotsiny no namonoana an-dRatompokovavy. Novakiany bantsilana fa raha ny angom-baovao tonga eo am-pelatanan’izy ireo dia resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no ahina ho ambadiky ny famonoana. Tao anatin’izao fandraisany ny fitantanana ny Kaominina Mangataboahangy izao tokoa mantsy dia nanao fanamby ny Ben’ny tanàna Rasazy Narindra fa hanafoana ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny ao amin’ny Kaominina iandraiketany. Noho izay resany izay indrindra no tombanan’ny mpanao fanadihadiana fa tsy nahafaly ny sokajin’olona sasany ka nahatonga izao famonoana tamin’ny fomba feno habibiana izao.
Niantso moa ny Jeneraly Ravalomanana ny tokony hanasaziana henjana izay tompon’antoka tamin’ny raharaha, na iza na iza. Eo koa ny tokony hanomezana mariboninahitra an’i Rasazy Narindra noho ny fitiavan-tanindrazana nananany.



