Songadim-baovaoToekarena
FANADIHADIANA MAHAKASIKA NY TOKANTRANO (EPM 2025): Hanomboka ny 01 Marsa izao ny fanadihadiana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy
Ny fanadihadiana mahakasika ny tokantrano na ny “Enquête permanente auprès des Ménages (EPM 2025)” dia fanadihadiana atao eny anivon’ireo tokantrano manerana ny Nosy, hamantarana ny toetoetry ny tokantrano malagasy, toy ny eo amin’ny lafiny asa, fianarana, fahasalamana, fambolena, sy ny sisa. Tany amin’ny taona 1993 ny andiany voalohany tamin’ity fanadihadiana ity, ary tamin’ny taona 2021-2022 no natao ny andiany farany. Araka ny fampahafantarana omaly, araka izany, dia hotanterahina amin’ity taona 2025 ity indray ny andiany manaraka, izay faha-11.
Nanazava ny “Directeur des conditions de vie des ménages”, eo anivon’ny Ivontoerana nasionaly momba ny antontanisa na INSTAT, andriamatoa Rakotondradany Iary Michael, fa hanomboka ny 01 marsa izao ny tapany voalohany amin’ny fanadihadiana, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 01 jona. Ny tapany faharoa kosa dia eo anelanelan’ny Aogositra sy Novambra 2025. Izany hoe, saika mandritra ny taona 2025 no hanatanterahana ny fanadihadiana. Tanjona ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka sy azo trandrahina ho amin’ny asa fampandrosoana eto amin’ny firenena. Araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tokoa mantsy, dia ireny antontanisa azo avy amin’ny EPM ireny no trandrahina ary manampy ny Fitondram-panjakana amin’ny famolavolana politikam-panjakana entina hamahana ny olan’ny mponina sy hitondrana fampandrosona eto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ireny antontan-kevitra ireny ohatra no hijerena ny tahan’ny fahantrana, ny tahan’ny tsy fananana asa.
Tsara ho fantatra fa tsy ny tokantrano rehetra akory no hanaovana ny fanadihadiana, fa tokantrano miisa 17 000 ihany manerana ireo faritra 23. Efa misy fanontaniana lasitra apetrak’ireo ekipa mpanao fanadihadiana mba hampirindra ny fomba fiasa. Nanome toky ny teo anivon’ny INSTAT fa mijanona ho tsiambaratelo avokoa ny toro rehetra avoakan’ny tokantrano tsirairay.




