Songadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY HERISETRA SY NY HELOKA MAMOAFADY : Nanao be midina tamina toeram-pandihizana sy fisotroana ny Polisy, olona 200 nohenoina
Manoloana ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana manoloana ny ady amin’ny herisetra sy ny fandikan-dalàna eny anivon’ny fiarahamonina, dia manatanteraka hetsika fidinana ifotony amin’ireny toerana be mpandeha amin’ny hariva sy ny alina ireny, ny Polisim-pirenena. Nanatanteraka izany ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Boeny, ka tamin’ireo toeram-pisotroana ao Mahajanga no nanatanterahana ny be midina nanaovana fanentanana sy fisavana ireo toerana be mpandeha amin’ny alina, izay notanterahina ny alin’ny zoma 21 febroary lasa teo. Hetsika natao hampahatsiahivana sy hanamafisana ny fanajana ny lalàna no natao tao anatin’izany, hatreto, ary nokendrena manokana ireo tompon’andraikitra amina toeram-pisotroana sy fialamboly maro miasa amin’ny alina ao an-tanànan’i Mahajanga. Araka izany, manodidina ny 200 ny olona no nohenoina sy nampahafantarina nandritra ny fanaraha-maso natao tamin’ireo karazana toeram-pisotroana sy fanaovana “karaoke” ary “boîte de nuit” tao an-toerana. Tsy mbola nisy aloha ny fisamborana tamin’io fotoana io, raha ny tatitra voaray. Hetsika izay niarahana tamin’ny “Brigade Féminine de Proximité” (BFP), ny Polisy Miaro ny Zaza sy ny Olona Marefo ary Miady amin’ny Heloka Mamoafady (DPMPM), ary ny “Unité d’Intervention Rapide” (UIR) Mahajanga. Tanjon’ny Polisim-pirenena manerana ny Nosy moa, dia ny fahatanterahan’ny tarigetra “Polisy miaro sy manampy vahoaka”.
Nangonin’i Stan R.



