Songadim-baovaoSosialy

ROTSAK’ORANA NISESY: Tafakatra 24 ny olona maty, 21 250 traboina

Mivoatra hatrany ny antontanisa mikasika ny akon’ny rotsak’orana nisesy manerana ny Nosy, fa indrindra ny teto amin’ny Faritra Analamanga, raha ny antontanisa navoakan’ny BNGRC, omaly tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Fantatra tao anatin’izany, fa 24 no maty, ary 21 250 ny traboina. Faritra 08, Distrika 21, ary Kaominina 41 no voakasik’ity akon’ny rotsak’orana ity teto amin’ny Nosy, hatreto. Tamin’ireo nodimandry, dia fantatra fa olona 01 maty an-dranomasina tao Tolagnaro. 01 hafa tao Anjozorobe, maty an-drano, 01 Farafangana, 01 Boriborintany II, 03 Boriborintany IV, 01 Ikongo, 04 Tolagnaro, 01 Boriborintany VI, 02 Boriborintany III, 02 Ambohidratrimo, 01 Manjakandriana, 02 Antananarivo Avaradrano, 01 Ambatofinandrahana, ary 03 Nosy Varika. Olona 03 naratra. Amin’ireo traboina maherin’ny 21 200, izay mandrafitra tokantrano 5 887, ny 18 829 eto Analamanga avokoa, 2 164 Menabe, 140 Atsimo Andrefana, 91 Vatovavy, ary 26 Amoron’i Mania.

Olona 7 802 nafindra toerana azo antoka, izay mandrafitra tokantrano 2 290. Trano 3 769 dibo-drano, 07 niharam-pahavoazana, ary 15 simba tanteraka.

 

Loza manambana amin’ny mety ho fiakaran’ny renirano…

 

Naharaisana fampilazana momba ny fandehan’ny renirano eto amin’ny Lemak’Antananarivo ny teo anivon’ny APIPA, omaly maraina tamin’ny 07 ora, fampilazana faha-63. Nambara tao anatin’izany, fa mitoetra ny fampitandremana mavo amin’ny fiakaran’ny rano, na loza manambana amina kaominina maro. Anisan’izany Ankadimanga, Ampangabe, Fiadanana, Ambohitrimanjaka, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Anosy Avaratra, Talatamaty, Ambohibao Antehiroka, Iarinirivo, ary Antananarivo Renivohitra. Foana kosa ny fampitandremana mavo amin’ny fiakaran’ny rano, na loza manambana, ho an’ny ao Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Masindray, Ambohimanambola, Ambohijanaka, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Andranonahoatra, Bemasoandro. Nahazoana refy avokoa ireo renirano mandalo eto Antananarivo, Sisaony, Ikopa, ary Mamba, saingy tsy mbola tonga any amin’ny fetran’ny filazana miloko mena izany, hatramin’ny omaly hariva.

 

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer