Songadim-baovaoSosialy
ANDRO RATSY AO AMIN’NY LAKAN-DRANON’I MOZAMBIKA: Hitombo hery ka mety hivadika rivodoza ato anatin’ny 24 ora
Ny fisian’ilay fiforonana rivodoza ao amin’ny lakandranon’i Mozambika no hamaritra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro manaraka, raha ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly hariva. Raha ny toetr’ilay andro ratsy io, omaly, fampitam-baovao tamin’ny 04 ora tolakandro dia tany amin’ny manodidina ny 645km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny, omaly tamin’ny 03 ora tolakandro. 55km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 75km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 10km/ora. Vinavinaina hitombo hery izy ato anatin’ny 24 ora manaraka ka ahina hivadika ho rivodoza. Nanohy ny diany nianatsimo atsinanana izy nanomboka omaly alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ny faran’ny herinandro. Efa mikorontana tanteraka araka izany, ny toetry ny andro any an-dranomasina, amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana iny, vokatry ny oram-baratra sy rivo-mahery, ary ny alondrano avy any avaratra. Mba ho fiomanana manoloana izany, dia niangaviana ny mponina amin’ireto faritra sy distrika manaraka ireto mba hampihatra sahady ny fepetra filazana loza fanairana, miloko maitso. Ampanihy Andrefana, Androy, Toliara I-II, Amboasary Atsimo, ary Tolagnaro. Entanina torak’izany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Tsihombe, ary eo anelanelan’i Cap Est sy Vatomandry mba tsy hiandriaka intsony satria mikorontana ny toetry ny andro. Entanina araka izany, ny mponina voakasik’ireo toerana voalaza rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Stan R.




