Fanadihadiana ManokanaSosialy

MAHAJANGA I SY MAROVOAY : Mavitrika amin’ny fanaovam-baksiny ny mponina

Aretina maro mpahazo ny zaza manomboka amin'izy vao teraka no voasoroka amin'ny alalan'ny vaksiny. Manamafy ny fanentanana an’ireo Ray aman-dReny amin'izay fanaovam-baksiny izay isika eto Madagasikara amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombona antoka aminy, toy ny UNICEF. Ka tamin'ny herinandro lasa teo dia nisy ny fidinana ifotony tany amin'ny Faritra Boeny nijerena manokana ny zava-misy any an-toerana momba ny fanaovam-baksiny...

Ny Mpandrindra ny fanaovam-baksiny (ResPev) ao Mahajanga I.

Fanefitra amin’ny karazana aretina maro, fomba iray hahafahana mampitombo ny hery fiarovana amin’ny olona iray ny vaksiny. Ho antsika eto Madagasikara manokana, manana karazam-baksiny maro isika izay natokana ho an’ny zaza, ny vehivavy mitondra vohoka, ary ireo karazany hafa fanefitra amin’ny aretina samihafa. Anisany paikady apetraky ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy hampiroboroboana ny fanaovam-baksiny ny “Approche Atteindre chaque Cible – ACC”. Amin’ny tanàn-dehibe no nampiharana io paikady io ary voakasika manokana tao anatin’izany ny tao amin’ny Distrikan’i Mahajanga I, Faritra Boeny. Araka ny fanazavan’ny Mpandrindra ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny Distrikan’i Mahajanga I, dia nihatsara ny fitantanana sy ny famatsiana vaksiny hatramin’ny nampiharana io paikady io, izay tohanan’ny UNICEF. Ity farany izay nanome “Tuc tuc” nanampy amin’ny fitaterana ireo vaksiny any amin’ireo CSB manatanteraka izany. Mbola ny UNICEF koa no nanome fampitaovana toy ny Solosaina sy ny fanamafisam-peo ary fitaovana hafa, nentina nampiasaina ao anatin’ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny.

Marefo rehefa tsy vita vaksiny 

Ramatoa Andrianaivo Lalao Justine, Renim-pianakaviana nilaza ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny.

Tao amin’ny Renivohitry ny Distrikan’i Marovoay dia nanaiky nitafatafa taminay Ramatoa Ramatoa Andrianaivo Lalao Justine. Nambarany tao anatin’ny fijoroana vavolombelona nataony fa tsy vita vaksiny hatramin’ny farany ny zanany faha-2, satria somary nafanafana teo ampanaovana ny vaksiny dia najanona. Ankehitriny anefa dia tsapany fa mareforefo tsy toy ireo ankizy mitovy taona aminy io zanany io, ka maniry ny mba hahafahana mamita hatramin’ny farany ny vaksiny ny tenany. “Mino aho fa mba hatanjaka tsara mitovy amin’ny namany izy rehefa mahazo vaksiny”, hoy ny hetahetany. Ny olana nazavainy anefa dia very ny “carnet” momba ny fanaovam-baksinin’ilay zaza noho ny firodanan’ny tranon’izy ireo. Ka fanontaniana napetrany ny mbola hahafahana manohy izany na tsia ? Amin’ny ankapobeny dia tena resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny vaksiny Ramatoa Justine.

Ho an’ny ao Marovoay manokana dia nanamafy ny médecin inspecteur fa mbola mitaky ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny ao amin’ny distrika iadidiany. Na izany aza, efa marisika amin’ny fitondrana ireo zaza manao vaksiny ireo mponina amin’ny ankapobeny. Nambaran’ny Lehiben’ny Fokontany ao Marovoay ville, Raolison Rabemananjara, fa mavitrika ny mponina amin’ny fanaovam-baksiny satria tsara ny fanentanana ataon’ireo dokotera. Mifandrimbona amin’ny fanentanana koa ireo mpanentana ara-pahasalamana. Nisy ihany ireo tsy resy lahatra teo aloha fa rehefa natao ny fanentanana dia nanaiky avokoa, hoy ny fanazavany.

Trangana fahaverezana “carnet” ? 

Nitondra fanazavana ny Rasazy Herminah, tomponandraikitra ao amin’ny CSB II Tanambao Sotema.

Nanazava i Rasazy Herminah, tomponandraikitra ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny CSB II Tanambao Sotema fa mandray ireo ankizy tsy nahatontosa hatramin’ny farany ny fanaovam-baksiny izy ireo. Misy koa ny fiarahamiasa amin’ny mpanentana ara-pahasalamana. Tsara ho fantatra mantsy fa ireo zaza tonga manao vaksiny voalohany eny anivon’ny CSB dia raketina anatina fiche na firaketana, ka isam-bolana no ijerena ireo zaza tokony hatao vaksiny kanefa tsy nipoitra (perdue de vue). Eo no miasa ilay mpanentana ara-pahasalamana mitady sy miantso azy ireo. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa tsy manakana velively ny fanaovam-baksiny mihitsy ny fahaverezana “carnet” satria manana ny rejistra amin’ny fanaovam-baksiny ny CSB. Ka raha sanatria misy fahaverezana “carnet” dia mitonona ny anaran’ny zaza fotsiny ilay reny dia jerena ao amin’ny rejistra ny mombamomba ilay zaza, ary omena “carnet” sy “fiche” vaovao  izy hahafahany manohy ny fanaovam-baksiny toy ny teo aloha.

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer