Songadim-baovaoToekarena

JONO MAKAMBA: Nampidi-bola 17 lavitrisa ariary ho an’ny taona 2024

Hisokatra manomboka amin’ny misasak’alin’ny 01 martsa ho avy izao ny taom-panjonoana makamba (crevette) 2025, manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny herinandro lasa teo. Fepetra noraisina kosa anefa ny fandrarana ny fanjonoana amin’ny alina ho an’ireo izay misehatra amin’ny jono vaventy any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy, manomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina, hatramin’ny 14 aprily 2025. Noraisina moa ireo fepetra rehetra ireo mba handrindrana ny lafiny jono makamba eto amintsika. Ahitam-bokatra tsara io paikady ampiharina io satria raha tamin’iny taona 2024 farany teo iny dia manodidina ny 17 lavitrisa ariary ny vola nampidirin’ny sehatry ny jono makamba teto Madagasikara.

Tsy ny makamba ihany, ny vokatra trondro amin’ny ankapobeny eto Madagasikara mihitsy no nahitana fahatsarana, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Tsimanaoraty Mahatante Paubert. Mba hahafahana tena manamarina izany anefa dia eo am-piangonana ireo antontanisa ho an’ireo karazana jono hafa ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Midika ireo rehetra ireo fa mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny sehatry ny jono, ary mampirisika ny vahoaka hiditra lalindalina kokoa hatrany amin’io sehatry ny fiompiana trondro sy jono io ny Ministera.

Tsara ny manamarika fa anisan’ireo firenena sahy niditra amin’ny mangarahara eo amin’ny lafiny fintantanana ny jono i Madagasikara. Isika no firenena fahadimy maneran-tany niditra ao amin’ny rafitra

 »Initiative pour la Transparence des Pêches » (FiTI) tamin’ny taona 2021, taorian’i Mauritanie,  Seychelles, Cap Vert, sy Equateur. Notanterahana omaly ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny tatitry ny FiTI 2023. Nisongadina fa tamin’io taona io dia nahitana fihatsarana ny fangaraharahan’ny resaka jono an-dranomasina satria nanasongadinana manokana teboka 12 raha toa ka teboka miisa 06 no narafitra nandritry ny tatitra voalohany hoan’ny taona 2022. Vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ity taona ity ny tatitra manaraka.

 

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer