Songadim-baovaoToekarena
ANDIANY VOALOHAN’NY “FEC” SY “FRD”: 103 Tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara avy amin’ny FMI
Nankatoavin’ny Filankevim-pitantanan’ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) omaly 26 febroary 2025 ny hamoahana 103 tapitrisa dolara (77,392 DTS) anatin’ny andiany voalohany amin’ny FEC (Facilité élargie de crédit) sy FRD (La facilité pour la résilience et la durabilité). Nambaran’ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, fa izao vokatra izao no azo dia vokatry ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay nanome ny heriny manontolo nanosika ity ampahany voalohany amin’ny « 1ère revue FEC sy FRD » ity , teo ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay tsy nikely soroka nitondra ny fanazavana ny fotokevitra hijoroan’ny Governemanta.
« Tsy nahomby ny teti-dratsin’ireo olona nanao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa nanao izay nanakanana sy hanafoanana ireto FEC sy FRD ireto satria nahay nandinika sy nanavaka ny fanaratsiana sy ny zava-misy marina ny FMI », hoy Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola. Na izany aza, nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa mbola maro ny ezaka tokony hotohizana. Ary marihina fa hanatontosa ny 2ème revue indray isika amin’ny tapabolana voalohan’ny Aprily 2025. “Efa Atoa Constant Lonkeng, Chef de Mission vaovao, no hitondra io 2eme revue io » hoy hatrany Ramatoa Minisitra.
Ny Fanoratana.




