Songadim-baovaoSosialy
ANDRO RATSY NIVADIKA RIVODOZA: Manambana mivantana ny tapany Atsimon’ny Nosy i Honde
Nisy ny filazana manokana nomen’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 04 ora hariva, mikasika ilay andro ratsy niforona tao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika. Fantatra, fa rehefa nahafeno fepetra ity andro ratsy ity, dia nivadika rivodoza, omaly vao maraim-be, ary nitondra ny anarana “Honde”. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, dia tany amin’ny manodidina ny 485Km andrefana somary atsimo andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. Nitombo hery ka lasa “Forte Tempête Tropicale” izy tamin’izay. Niakatra ho 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 11 Km/ora. Vinavinaina hitombo hery hatrany izy ato anatin’ny 48 ora manaraka, ka mety hiakatra hatramin’ny sokajy rivodoza mahery na “Cyclone Tropical”. Hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy i Honde manomboka rahampitso zoma 28 febroary maraina, ary hipàka miandalana amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny rahona miaraka aminy, manomboka anio maraina. Namoahana filazana loza fanairana na loko maitso, noho izany, ny ao Androy, Toliara I sy II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Amboasary Atsimo ary Taolagnaro. Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Tsihombe mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. ny rehetra no entanina hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Nangonin’i Stan R.




