Songadim-baovaoSosialy
FANAMARIHANA NY 8 MARSA : Natomboka teny Ambohidratrimo ny « caravane médicale » andiany faha-32
Fahombiazana hatrany no azo tamin’ireo andiany 31 teo aloha, raha ny « Caravane médicale » no asian-teny. Hetsika izay hanolorana fitsaboana sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka, amin’ny alalan’ilay fomba fiasa fitsaboana manakaiky vahoaka. Vahoaka analiny maro no efa nisitraka izany manerana ny Nosy. Tompon-kevitra sy mitarika ny fanatanterahana ny hetsika kosa ny Fikambanana Fitia, tarihin’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika Mialy Rajoelina, sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny OMS.
Miditra amin’ny andiany faha-32 ny “caravane médicale”, ka notanterahina teny Ambohidratrimo omaly ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy izany. Tsara ho fantatra fa ity hetsika sosialy fijerena ny mahaolona “sarobidy ny aiko” ity dia tafiditra sahady anatin’ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa, ary efa fanao isan-taona.
Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana
Nitarika ny delegasiona tamin’ity fanombohana ny caravane médicale ity sady nisolo tena ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpikambana sasantsasany amin’ny Governemanta, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, ny Loholon’i Madagasikara ary ireo Ben’ny Tanàna anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo. Mampiavaka ity andian’ny hetsika ara-pahasalamana « Sarobidy ny aiko » manokana ho an’ny 8 marsa ity ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Marihina fa andiany voalohany ho an’ny taona 2025 ity “caravane médicale” ity, izay hamakivaky ny lalampirenena fahaefatra, handalo Faritra telo dia Analamanga, Betsiboka ary Boeny. Ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo no nanombohana izany, ary hihazo ny Distrikan’i Maevatanana, Ambatoboeny hatrany Mahajanga I mandrapatatonga ny 7 marsa.
Toy ny mahazatra dia ahitana ireo tolotra sy fitiliana ary fanentanana samihafa hatrany ny « caravane médicale » :
* Fizaham-pahasalamana ankapobeny,
* Fitsaboana nify sy aty vava, sy ny fitsaboana maso,
* Fitsaboana zaza (pédiatrie)
* Fitsaboana fo (cardiologie)
* Fitsaboana aretin’ny hoditra (dermatologie)
* Fisafoana ho an’ny Reny bevohoka sy fizarana lay misy ody moka,
* Fanaovam-baksiny ny zaza sy ny ankizy,
* Fandrindram-piterahana,
* Fitiliana samihafa : Diabeta, homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, IST/VIH, ny tsy fanjarian-tsakafo, raboka na tuberculose, ary fitiliana hernie eo amin’ny ankizy
* Fakana sy fanomezan-drà
* Ny fitarafana : échographie, radiographie, mammographie,
Nangonin’i LR.




