Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERAN-TANY: Hatao any Maroc ny lalao hifanandrinan’i Madagasikara amin’i Centrafrique sy Ghana
Nampahafantatra tao amin’ny pejy fesiboky ofisialin’izy ireo omaly ny federasiona malagasy ny baolina kitra fa hotanterahina any Maroc avokoa ireo lalao amin’ny andro fahadimy sy fahenina ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny amboara eran-tany amin’ny taona 2026. Midika izany fa mbola tsy nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Kaonfederasiona afrikanina ho an’ny baolina kitra (CAF) ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fampahafantarana avy amin’ny federasion’ny baolina kitra ao Ghana. Ireo lalao roa ireo anefa dia tokony notanterahana teto amintsika.
Araka izany, hanainga ho any Maroc ka hiatrika ny lalao hifanatrehana amin’i Centrafrique, amin’ny 19 marsa 2025, ny ekipam-pirenena malagasy. Lalao hotanterahina any amin’ny kianjan’i Larbi Zaouli any Maroc, manomboka amin’ny 07 ora hariva, ora eto Madagasikara. Amin’ny 24 marsa 2025 kosa no hifanandrina i Madagasikara sy Ghana, amin’ny 10 ora alina, mifanaraka amin’ny ora eto an-toerana.
Ny Fanoratana.




