Songadim-baovao

FAMPIASANA NY COLISEUM: Nanome toromarika ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina

Tohin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena tao anatin’ity hamehana manaraka ity, mikasika ny fitadiavam-bolan’ireo mpanakanto, dia nisy ny toromarika nomen’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mikasika ireo fepetra fampiasana ny Coliseum Antsonjombe, izay maimaim-poana hatramin’ny faran’ny taona ho avy izao. Noho ny fahasahiranana mianjady amin’ireo mpanakanto no nanomezana ny Coliseum ho maimaim-poana io, raha tsiahivina, saingy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana hatrany. Izay mpikarakara mahazo mialoha no mampiasa azy, ary izay mpisehatra ara-kolontsaina rehetra dia afaka manao izany avokoa, ary eny anivon’ny minisitera mpiahy ity, no manao ny famandrihan-toerana. misy ny taratasy fangatahana tsy maintsy atao amin’izany, ary hatao amin’ny anaran’ny fitaleavana eo anivon’ny minisitera. Mitoetra hatrany koa, ireo dingana fangatahana fahazoan-dalana hanatanterahana fampisehoana, ary ny mpikarakara no miantoka tanteraka ny filaminana sy ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana ao. Tsy azo ialana amin’izany ny fametahana arotava sy orona, fampiasana tsiranoka famonoana otrikaretina, fa indrindra ny fanajana ny elanelan’ny mpijery.

Fermer