Songadim-baovaoSosialy
FANADINANA CEPE: Tsy hitovy ny laza adina isaky ny Cisco
Hasim-panavaozana ny rafitra entina handaminana ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy ny fifaninanana fidirana ho kilasy fahenina. Io no anisan’ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny alarobia lasa teo. Sehatra voakasika amin’izay fandaminana vaovao noraisin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izay ny eo amin’ny fe-potoana fikarakarana, ny fiarovana ireo laza adina, sy ny fanaraha-maso ireo fanadinana. Araka izany, tapaka ankehitriny fa ireo farim-piadidiam-pampianarana (CISCO) no ho lasa tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana, ny fandefasana sy ny fitaterana ireo laza adina eny amin’ireo foibem-panadinana. Araka ny fanampim-panazavana nentin’Atoa Randrianarison Tinaina Edinah izay tale misahana ny fanadinam-panjakana sy ny fanamarinana mari-pahaizana eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, hifantohan’io anjara andraikitra ampitaina amin’ireo Cisco io ny fanomanana ny laza adina, ny fanomanana ireo mpandray anjara rehetra, ireo fitaovana ampiasaina sy ny mahakasika ny fanadinana amin’ny ankapobeny. Ny Ministera foibe kosa, etsy an-kilany, dia manohy hatrany ny andraikiny amin’ny fandrindrana sy fanampiana azy ireo. Midika ihany koa izany fa samy hanana ny laza adina ary tsy hitovy ny laza adina isaky ny Cisco, hoy hatrany ny fanazavana. Na eo aza izany dia hisy ny tantoroka sy ny toromarika avy amin’ny Ministera mba hiantohana ny kalitaon’ireo laza adina. Tsara ny manamarika fa notanterahana teny anivon’ny Ministera foibe ny fikarakarana, ny fanontana hatramin’ny fitsinjarana ireo laza adina teo aloha.
Fototry ny fandaminana rehetra ho an’ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE, araka izany, ireo Cisco. Tanjona amin’ny fametrahana io fepetra io ny mba hampifanarahana ny zava-misy eny ifotony sy hanamorana ireo dingana ara-taratasy, indrindra ny ara-bola. Vina ny hanavaozana sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Ho fampiharana io lamina vaovao io, hisy ny fampisitrahana fiofanana izay hiantoka ny fahombiazan’ny rafitra vaovao. Ankilany, mariky ny fametrahana fitsinjaram-pahefana tena izy ihany koa ny fampiharina io rafi-pandaminana vaovao io. Tombony amin’ny firosoana amin’izany ny fihenan’ny fandaniana amin’ny fitaterana ireo laza adina. Hitombo ihany koa ny fampandraisana andraikitra ireo Cisco. “Miroso hatrany ny fanatrarana ny tanjona hmpahaleo tena ireo Faritra sy ireo Distrika”, hoy ny fampahafantarana.
Tsiahivina fa hotanterahana ny talata 17 jona 2025 ny fanadinana CEPE mandritra ny taom-pianarana 2024-2025 ity. Hifarana anio amin’ny 04 ora hariva kosa ny fahafaha-misoratra anarana.
S.S



