
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ALAROBIA BEMAHA ANTSIRABE : Olona folo tra-tehaka nangalatra volabe 100 tapitrisa Ar
Tonga nanatitra fitoriana tao amin’ny zandary tao Vakinankaratra, ny renim-pianakaviana iray, monina ao Alarobia Bemaha, ao anatin’ny distrikan’i Betafo, izay mpadraharaha, ny 20 febroary lasa teo. Araka ny fitoriana nataony, very tao an-tranony ny volabe mitentina 100 tapitrisa Ar eo ho eo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo zandary notarihin’ny Kapteny Sefo Gapj Vakinankaratra. Vokany, tratra ireo olona izay tompon’antoka tamin’ io raharaha io, miisa folo. Ankoatr’izay, nisy ireo lelavola sy fitaovana ary entana maro samihafa, izay vaovao avokoa, mbola tratra tany amin’ireo olona ireo Isan’izany ny Moto marika « Peter 150cc ». Ordinatera entin-tanana iray, kojakoja amina « panneaux » mandeha amin’ny herin’ny masoandro isan-karazany, fahitalavitra lehibe, niaraka tamin’ny volabe mitentina 29.785.000Ar, niampy omby miisa enina, izay vao avy novidina. Nentina any Antsirabe avokoa ireo olona ireo hatao famotorana. Vondron-tobim-paritry ny Vakinankaratra no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana ireo olon-dratsy nahavita nandroba io volabe io.
Pierre M.




