PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA TANY ETO AN-DRENIVOHITRA: Tambazotra iray rava, olona 2 naiditra am-ponja

Olona miisa 12 no voarohirohy tamin’ny raharaha halatra tany teto an-drenivohitra taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco). 2 tamin’izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa niakatra teny amin’ny PAC.

Tambazotra iray mpangala-tany ahitana delegen’ny boriborintany, mpiraikidraharaha (notaire), mpandrefy tany mpahay raha (géomètre expert), ivotoerana mpivarotra tany sy mpanelanelana maro no ravan’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco). Araka ny angom-baovao, toerana be mpitady no lasibatr »izy ireo. Hanaovana taratasy sandoka, asiana anarana hosoka, ary lazaina fa efa telopolo taona lasa no vita. Hampidirina any amina Kaominina akaiky ny renivohitra io antontan-taratasy io. Rehefa vita izay dia soratana amina olona hafa amin’ny sandany 10 tapitrisa ariary. Aorian’izay, misy fifanarahana maharitra miaraka amina mpampiasa vola vahiny mitentina hatrany amin’ny 2 miliara ariary, izay miainga avy ao amin’ilay ivontoerana mpivarotra tany. Eo no miditra an-tsehatra ny mpiraikidraharaha mba hampanarahan-dalàna ireo dingana tsy ara-dalàna rehetra ireo.

Olona 12 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Notanana am-ponja vonjimaika ilay olona nanoratana ny tany sy ilay ivontoerana mpivarotra tany, rehefa niakatra teny amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly, ny 27 febroary 2025 teo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny ambiny. Vesatra hanenjehana azy ireo moa ny fanararaotam-pahefana, kolikoly, hosoka sy fampiasana hosoka.

Tsara ho fantatra fa efa nogiazana ny 20 janoary 2025 teo ilay trano lehibe nanaovana hosoka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer