Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA HONDE: Namono olona 03, 43 235 traboina

Faritra efatra, distrika 15, ary kaominina 65 no tratran’ity rivodoza Honde ity, izay nahazoana tatitra ny amin’ny voka-dratsin’izany. Raha ny antontanisa azo teo anivon’ny BNGRC, omaly tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, dia fantatra, fa olona 03 no maty, izay samy tao Ampanihy Andrefana avokoa, ka iray tao Ampanihy Andrefana tampon-tanàna, 01 Beahitse, ary iray farany ao Androipano. Olona iray tsy hita popoka tao Belo sur Tsiribihina, 69 kosa naratra. Tafakatra hatramin’ny 43 235 na fianakaviana 9 517 ny traboina hatramin’ny omaly tolakandro io, ka 11 221 ao Ampanihy Andrefana,  11 308 Toliara II, 6 718 ao Belo sur Tsiribihina, 6 095 Morondava, 2 597 Manja, 2 553 Toliara I, 800 avy Betioky Atsimo sy Mahabo, 679 Ambovombe Androy, 197 Beloha, 110 Benenitra, ary 37 Tsihombe. 20 632 ireo olona nafindra toerana azo antoka, mandrafitra tokantrano 4 840, ary mizara amina « sites » 57. Teo amin’ny lafiny fotodrafitrasan’ny mponina amin’ny ankapobeny, dia 7 248 ireo trano tondra-drano, 913 niharam-pahavoazana, 1 924 simba tanteraka. Teo amin’ny lafiny fanabeazana, dia efitrano fianarana 61 nahitam-pahasimbana, 22 voakorontana tanteraka, ary 21 rava tanteraka.

Tafakatra 29 ny olona maty

Teo amin’ny lafiny rotsak’orana nanomboka ny 14 febroary izay niteraka fahasimbana sy fiakaran-drano manerana ny Nosy indray, dia fantatra, fa takakatra 29 ireo olona nodimandry, raha ny fampitam-baovao farany teo anivon’ny BNGRC. 01 tao Ambatolampy, 01 Belo sur Tsiribihina, 03 Ambohidratrimo, 01 Anjozorobe, 01 Farafangana, 01 Tanà II, 03 Tanà IV, 01 Ikongo, 05 Taolagnaro, 01 Tanà VI, 02 Tanà III, 02 Ambohidratrimo, 01 Manjakandriana, 02 Antananarivo Avaradrano, 01 Ambatofinandrahana, ary 03 ao Nosy Varika. Tafakatra 33 641 kosa ny traboin’ny rotsak’orana voalaza ity, mandrafitra tokantrano 8 747. Ny 21 348 eto Analamanga, 9 102 A Menabe 1 014 Atsimo Andrefana, 989 Alaotra Mangoro, 745 Farafangana, 309 Androy, 91 Vatovavy, 26 Amoron’i Mania, ary 17 Vakinankaratra. Mahatratra 11 468 ny olona nafindra toerana azo antoka, izay mandrafitra tokantrano 3 063, ary miparitaka amina « sites » 45 maneran any ireo toerana voatanisa. Misy ksoa, « sites » 28 efa tsy foana tsy misy traboina intsony. Miisa 6 120 ny trano tondra-drano, 08 niharam-pahavoazana, ary 119 rava tanteraka.

Omaly tamin’ny 09 ora maraina, dia tany amin’ny 180 km atsimo somary atsimo atsinanan’i Faux cap no nisy ny foiben’i Honde, nihena ny heriny ka niverina ho “Forte Tempête Tropicale” ny sokajy misy azy. 110 km/ora ny rivotra miaraka aminy amin’izay arahina tafiotra 155 km/ora manakaiky ny foibeny. Tsy nihetsika firy izy io, ary marihina, fa efa any an-dranomasina avokoa no misy ny rahom-baratra arahina tafio-drivotra mahery miaraka aminy. Hihena kosa, ny rotsak’orana manomboka omaly ary vinavinaina hiverina ny volon’andro fahavaratra mahazatra manomboka anio. Foana, araka izany, ny filazana loza mikasika rivodoza.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer