Songadim-baovaoSosialy
FINOANA SILAMO: Miditra amin’ny volana Ramadany faha-1446
“Alhamdoulillahi! Hita soa aman-tsara tao Arabie Saoudite ny tsinam-bolana Ramadan”, hoy ny fanambarana avy amin’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy tamin’ny takarivan’ny zoma lasa teo. Noho izany, nanomboka tamin’ny sabotsy 01 marsa lasa teo ny volana Ramadany fafa-1446 ho an’ireo mpino silamo. Nisy tamin’ireo mpino sasany kosa no nanomboka izany omaly alahady, arakaraky ny fahitany ny volany.
Iray amin’ireo andry dimy hifotoran’ny finoana silamo moa ny fifadian-kanina amin’ny Ramadany. Izany hoe mifehy vava ireo mpino, mifady sakafo sy tsy misotro rano, eo anelanelan’ny fiposahana sy filetehan’ny masoandro. Ho antsika eto Madagasikara manokana, misy ny alimanaka isam-paritra mamaritra izay ora fiposahana sy filetehan’ny masoandro izay, natao hanampiana ireo mpino silamo mandritra ny fifehezana. Ankoatra io, manamarika ny volana Ramadany ihany koa ny fifantohana amin’ny vavaka sy fandalinana ny Korany. Tsy adinoina fa volana hampiroboroboana ny fifanampiana amin’ireo mpiara-belona ny ramadany ho an’ireo silamo. Ilaina fifehezana ny fanaovana firaisana ara-nofo.
Tsara ny manamarika fa maharitra 30 andro, hatramin’ny fotoan’ny tsinam-bolana vaovao indray, ny volana Ramadany. Andro fifaliana ny fihafaran’ny Ramadany, antsoina hoe “Aïd el-Fitr”, ka natokan’ny Fanjakana malagasy ho isan’ireo andro tsy fiasana fa andraisa-karama izany.
S.S




