
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TAKSIBE 154 NAMONO OLONA TENY MAHAMASINA: Voaheloka 20 taona sazy mihatra miampy onitra 23 tapitrisa Ar ilay mpamily
Nandeha omaly ny fitsarana ilay raharaha nahafatesan’i Mickael teny Mahamasina, ny alin’ny sabotsy 20 janoary 2024, izay nanosen’ny mpamily tao ambany fiara fitaterana zotra 154 azy. Rehefa natolotra ny Fampanaovana moa ny raharaha dia naiditra am-ponja vonjimaika teny Tsiafahy ilay mpamilin’io taksibe io. Ny Fampanoavana mihitsy tamin’izay no nitaky ny handefasana azy eny Tsiafahy, ary niombon-kevitra tamin’izany avokoa ireo Mpitsara zokiolona nandray an-tanana ny raharaha. Rehefa nivaly ny didim-pitsarana omaly, dia voaheloka 20 taona an-tranomaizina sazy mihatra, miampy fandoavana onitra mitentina 23 tapitrisa Ariary ilay mpamily. Raha hiverenana ny tranga niseho ny hariva io tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, kodiaran-droa miisa 04 nanenjika taksibe iray ka nifanatratra teo anoloan’ny “parking” Palais de Sport Mahamasina. Ny “moto” nentin’i Mika no nibahana ilay taksibe tamin’izay mba tsy nahafahan’ilay mpampily nandositra intsony, saingy tsy naharesy lahatra ilay mpamily izany ka dia nohoseny sy notaritiny tamina sahabo 400 metatra tao ambany io kodiaran-droa io sy ny mpamiliny. Nifampisokirina i Mika taorian’izay, naratra mafy sy efa nahavery rà be. Tsy tàna intsony moa ny ainy na dia nialana nenina teny amin’ny hopitaly aza. Ny Polisim-pirenena no nandray an-tanana ny fanadihadiana sy ny famotorana tamin’izay, ary nanamarika, fa efa nisy disadisa teo amin’ny roa tonta nanomboka teny Ankadimbahoaka tamin’io fotoana io. Vono olona niniana natao moa no niampangana ity mpampily ity fa tsy lozam-pifamoivoizana tsotra nitarika fahafatesan’olona.
S.R




