Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
ADY BAOLINA KITRA VEHIVAVY: Mpilalao anankiroa samy torana taorian’ny fifandonana
Ahina hivadika savorovoro ! Mba ho fanamarihana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy « 08 marsa 2025 », ao amin’ny kaominina Ikalamavony. Nisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena nokarakaraina, ny asabotsy 01 marsa lasa teo, tamin’ny 01 ora tolakandro. Ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny taranja baolina kitra no notanterahina. Nifanandrina tamin’izany ny ekipa vehivavy avy ao Ampanivana, fokontany ao ihany sy ny avy ao Ambohimpotsy/Tanambao-sud, fokontany Vohitrarivo/Manirisoa, samy kaominina Ikalamavony. Teo amin’ny minitra faha-34 nilalaovana, dia efa nitarika tamin’ny isa 02 no ho tsy misy, ny ekipa avy ao Ampanivana. Tamin’io fotoana io no nisy ny fifandonana tsy an-tsitrapo, teo amin’ny samy mpilalao teo ambony kianja. Voadonan’i Sylvia avy amin’ny ekipan’Ampanivana ny kapitenin’ ny ekipa avy amin’ny ankilany, ka torana tsy nahatsiaro tena. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly io kapiteny io. Mbola nitohy ny lalao ka nisalotra ny maha kapiteny ny ekipa avy ao Tanambao Atsimo indray i Tsikifitahiana.
Torana tsy nahatsiaro tena koa…
Mbola nisy fifandonana tamin’i Sylvia indray ity kapiteny nisolo toerana ity, ka tsy nahatsiaro tena koa. Noravain’ireo mpandrindra sy mpikarakara ny fifaninanana, izay notarihin-dRamatoa Delegen’ny Mponina ao Ikalamavony. Nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana koa ilay voadona faharoa. Araka ny voalazan’ny Mpitsabo, voadona teo ambonin’ny nonony ireo mpilalao ireo, ka ny tratrany no itarainan’izy roa vavy ho marary azy, ary mitovy ny fisehon’ny aretina. Manao krizy miverimberina no fitrangan’ny soratr’aretina, araka ny voalazan’ny fianakavian’ireo niharam-boina hatramin’ny omaly alina. Miaraka midelira izy roa ary samy mahavoateny ny anaran’ilay nahavoadona azy. Miahiahy izy ireo fa misy fampiasana odiratsy ity aretina ity. Nanatona ny ekipa nifanandrina tamin’ ireto farany ny fianakaviana, mba hahafantarana ny fomba hitondrana ny fitsaboana. Nomena toromarika ireto fianakavian’ny voadona ireto, mba ho tony aloha ka hanao izay hahasitrana ny marary, fa tsy hisendaotra amin’ny zavatra mbola tsy misy porofo. Ho arovana manokana ilay nahavoadona, mba hialana amin’ny fitsaram-bahoaka mety hitranga, ka hiteraka savorovoro.
Pierre M.




