Songadim-baovaoSosialy
TAKAITRAN’NY RIVODOZA TANY ATSIMON’NY NOSY…: Nankahery sy nitondra fanampiana ireo traboina ny Filoha Rajoelina
Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Honde, izay nitarika takaitra maro ho an’ny mponina ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, sy ireo faritra Atsimo iray manontolo mihitsy. Tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy, Filoham-pirenena Rajoelina, omaly. Ny distrikan’Ampanihy Andrefana, sy Toliara I, izay isan’ireo tena misy mponina maro indrindra traboina, sy nahitana fahavoazana indrindra no notsidihany tamin’izany. Nirotsaka an-tsehatra nankahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo tokantrano traboina izy. Ny Filoha Andry Rajoelina mihitsy no nandrindra ny fizarana ireo fanampiana entina ho an’ireo tokantrano hiatrehana ny voina mahazo azy ireo, toy ny vary, menaka, voamaina, sira, siramamy, sns. Ireo traboina ao amin’ny Kaomin’Ampanihy sady renivohitry ny distrika no notsidihan’ny Filoha Rajoelina voalohany. Fianakaviana miisa 143 no traboina tao amin’ny Kaominina Ampanihy, taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Honde, ary mitoby amina “site d’hébergement” telo. Ireo izay napetraka ao amin’ny “Centre de réhabilitation nutritionnelle et médical (CNRM)”, any Ampanihy, izay mbola an-dalam-panamboarana, no notsidihin’ny Filoham-pirenena.
Fanjakana manakaiky vahoaka…
“Amin’ny andro tahaka izao no ahafantarana hoe iza no tena tia, tena miahy anareo, ary izaho manokana dia tsy manary anareo fa eo anilanareo foana hamonjy anareo sy anampy anareo”, hoy ny Filoha Rajoelina tao Ampanihy. Notsindriny fa akaikin’ny fony ny mponina any Atsimo. “Fanjakana manakaiky vahoaka”, izao fidinana ifotony ataon’ny Filoham-pirenena izao. Ambentni-teniny tokoa ny hoe amin’ny andro sarotra no ahafantarana ny tena namana, sy ny tena miahy ny vahoaka. Tsy tonga tanam-polo koa izy fa nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana 143 traboina.
Araka izany, mahazo vary 25 kg, voamaina 3 kg, menaka 1 L, siramamy 1 kg, sira 2 sachets, sy paty isanisany avy ireo fianakaviana 143 traboina. Nozaraina fanampiana ara-bola mitentina 100.000 ariary isanisany ihany koa ireo fianakaviana ireo. Marihina ihany koa fa noho ny fiomanana nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC sy ireo rantsa-mangaikany isaky ny distrika dia efa nisy ireo fitaovana sy sakafo ahafahana manome tohana avy hatrany ireo traboina. Nanome toromarika ny Filoha ny fampiasana ireo angidimby an’ny Tafika hanafainganana ny fitaterana ireo fanampiana indrindra amin’ireo kaominina mitoka-monina noho ny fahatapahan’ny lalana.
Miara-dia amin’ny Filoham-pirenena amin’izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitra ny Atitany, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, sy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina. Eo koa ny Talen’ny raharaha ara-tsosialy sy ny Talen’ny serasera avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. “Rehefa misy voina mahazo ny mpiray Tanindrazana dia tsy maintsy mijery sy manohana ny mpitondra. Amin’ny andro sarotra no tena ahitana ny tena Raiamandreny ary izaho tsy manadino anareo”, hoy ny Filoha.
Rado Harivelo




