Songadim-baovaoToekarena

TOLOTRA « MIARINA » : Misitraka fiofanana ireo mpahazo tombontsoa

“Crédit Miarina”. Tolotra manokana napetraky ny Fitondram-panjakana ho fanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany hiatrehana ny fiantraikan’ny Covid-19. Vola 50 miliara Ariary no entina hanampiana ireo orinasa Malagasy hiarin-doha aorian’ny valanaretina Covid-19. Ka amin’ny alalan’ny programa nasionaly “Fihariana”, izay miara-miasa amin’ny banky mpiara-miombonantoka eto an-toerana ihany no hahafahan’ireo orinasa miditra amin’ity tolotra ity. Eo anatrehan’izany, ankoatra ny fanohanana ara-bola, miroso amin’ny fanolorana tohana ara-teknika sy ara-pahaiza-manao, ho an’ireo mpahazo tombontsoa koa ny tetikasa “Fihariana”. Fampiofanana no atao amin’izany, izay hiaraha-miasa amin’ny IFC. Ao anatin’ny fito herinandro. Mandritra izany no hanofanana ireo mpahazo tombontsoa mahakasika ny fomba mahomby hitantanana ny orinasa aorian’ny krizy. Isany taranja hodinihana manokana amin’izany ny fomba fahazoana famatsiam-bola, ny fananganana ny drafitra ho an’ny fandraharahana sy ny serasera ao anatin’izao vanim-potoan’ny krizy izao, ary ny fanaovana varotra amin’ny tranonkala.

Fanoitra ara-toekarena

Hifanatrehana ny andiany voalohany amin’ny fiofanana hatao, indrindra ho an’ireo mpahazo tombontsoa avy eto amin’ny Faritra Analamanga. Hatao am-pitain-davitra kosa ny andiany manaraka izay hiompana bebe kokoa ho an’ireo mpisitraka avy any amin’ny Faritra hafa. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny tetikasa “Fihariana”, orinasa 329 manerana an’i Madagasikara izao no efa ao anatin’ireo hisitraka ny tolotra “Miarina”. Izy ireo, izay avy amin’ny faritra 19. Hatramin’ny omaly, 19 357 700 000 Ariary no vola efa nivoaka, hatolotra ireo orinasa hisitraka ny tolotra. Efa nisy, hoy izy, ny fifampiresahana tamin’ny banky mpiara-miasa amin’ny fomba hamerenana ny vola. Araka izany, tsy izao dia izao no hatao ny famerenam-bola, fa afaka 6 na 8 volana any ho any. Ary ao anatin’ny 24 volana no hamerenana azy. Marihana fa isany zava-baovao eo anivon’ny tetikasa “Fihariana” ny fiarahmiasa amin’ny “Société Financière Internationale na IFC”, ao anatin’ny vondron’ny banky iraisam-pirenena, izay hifanome-tanana amin’ny fampiofanana ireo mpahazo tombontsoa.

“Ireo orinasa madinika sy salantsalany no anisany fanoitra ara-toekarena ho an’ny firenena. Ary ny fahaiza-manao izy ireny amin’ny fitantanana ny fihariany no antoka iray mampahomby ny fanarenana indray ny toekarena. Azon’ireo mpandraharaha mandinika ireo hatao tsara ny mananararaotra ity fampiofanana ity amin’ny fanatsarana ny fihariany, ny fomba fahazoana famatsiam-bola sy ny fidirana amin’ny tontolon’ny teknolojia… Fanombohana ihany izao fiarahamiasa amin’ny tetikasa Fihariana izao fa antenaina ny hiitaran’izany amin’ny sehatra hafa”, hoy Marcelle Ayo, Représentante Pays an’ny IFC.

Tags
Fermer