Fanadihadiana ManokanaSosialy

FANARARAOTANA MAMOAFADY NY ANKIZY : Endrika mahazo vahana eto Madagasikara ny fihafarana amin’ny fampivarotan-tena azy

Ankalazaina isaky ny datin’ny 04 marsa ny andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady. Ho an’ny fikambanana Ecpat France Madagascar, entin’izy ireo hanamarihana io andro io ny fanamafisana hatrany ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy, indrindra any amin’ny aterineto. Misongadina fa endrika fananaotana mamoafady ny ankizy matetika mitranga eto Madagasikara ny fihafarana amin’ny fampivarotan-tena azy ireo…

Miatrika fanamby maro ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy eto Madagasikara. Raha ny zavatra hita eny ifotony, hoy ry zareo avy ao amin’ny fikambanana Ecpat France Madagascar izay mpisehatra ao anatin’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny aterineto, dia efa manomboka mahasahy mitoroka ny fianakaviana tojo ireo herisetra ireo. Na izany aza mbola tsy ampy izany satria mbola tsy mifanaraka ny antontanisan’ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina sy ny antontanisan’ny fitarainana voaray. Nandritra ny fidinana natao tany Mahajanga, ohatra, dia niisa 05 ny fitarainana voarain’ireo tompon’andraikitra. Mbola sakana amin’izay fanaovana fitorohana izay ny fandalinana ny kolontsaina. Any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ohatra, dia tsy tonga any amin’ny sehatra ambony ny fitaraina raha toa ka misy trangana fanararaotana fa vitan’ny fifampiresahana sy fifampiraharahana fotsiny ihany amin’ny mpanao herisetra sy ny fianakaviana niharan’izany.

Ankoatra io, nohazavain-dRamatoa Annick Andriamaro izay talen’ny Ecpat France eto Madagasikara hatrany fa sarotra ny hahazoana antontanisa momba ny fanararaotana mamoafady ny ankizy eto Madagasikara. Mbola mijanona amin’ny antontanisa azo tamin’ny taona 2021 ihany izy ireo, taorian’ny fanadihadiana momba ny fanararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny aterineto. Nivoitra tamin’izany fa manodidina ny 40%-n’ireo ankizy mampiasa aterineto no efa niharan’ny fanararaotana mamoafady teto amintsika. Nivoaka taorian’ny fanadihadiana natao tamina faritra miisa 6 teto Madagasikara io. Raha ny fironana hita ankehitriny, azo heverina ny fivoaran’ny antontanisa. Andrasana ny fanaovana fanadihadiana lalina.

Fanetsehana ireo hery velona rehetra…

Miainga tamin’ny tomban’ireo tompon’andraikitra misehatra ao anatin’ny ady amin’io sokajina herisetra iray io moa dia fantatra fa endrika fanararaotana mamoafady ny ankizy matetika mpitranga eto Madagasikara ny fihafarana amin’ny fampivarotan-tena azy. Noho ny tsy fananana ao an-tokantrano dia ireo Ray aman-dReny mihitsy no maniraka ny zanany hisehatra amin’izany. Any amin’ny tranga sasany ihany koa anefa, mandrisika ny ankizy hanao ny fivarotan-tena tsy fidiny ny tsy fahampiana eo amin’ny tontolo manodidina azy.
Ankoatra ny fanararaotana mamoafady ny ankizy miafara amin’ny fampivarotan-tena, tranga mpiseho eto Madagasikara ihany koa ny fanararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny alalan’ny aterineto. Avy eo ny famarinana ny ankizy miafara amin’ny fampivarotan-tena azy. Ary farany ny endrika fananararaotana mamoafady ny ankizy amin’ny alalan’ny fivahinianina sy ny fizahantany.

Manoloana ireo zava-misy ireo, vahaolana tsara indrindra ny fanetsehana ny hery velona rehetra hiaraka hiady amin’ny fanararaotana mamoafady eto Madagasikara, indrindra ny mahazo ny ankizy. Mila miara-mandalina ny rehetra hoe inona ny antony mbola mahatonga ny trangana herisetra toy izany amin’izao vaninandro izao. “Rehefa fantatra ireo antony ireo dia tsy maintsy kapaina ilay fotony amin’ny alalan’ny fanetsehana ny hery velona rehetra”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny Ecpat France eto Madagasikara.
Noho izany, paikady ampiharina, ho an’ny Ecpat France manokana, ny fanamafisana ny fanabeazana ifotony eny anivon’ireo sekoly, any amin’ireo Ray aman-dReny, ny mpanabe, amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fanentanana. Asa hiandraiketan’izy ireo ihany koa ny fandraisana an-tanana trangana fanararaotana mamoafady ny ankizy. Misy ny tantsoroka amin’ny lafiny lalàna ho an’ireo izay niharan’ny herisetra. Misy ihany koa ny tantsoroka ara-psikolojia, ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny famerenana fampidirana an-tsekoly ho an’ireo ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady. Notsindrian’ny tompon’andraikitra manokana moa ny fanamafisana adisisika ka zava-dehibe ao anatin’izany ny fampiharana ny lalàna. Tsy adinoina ny fanamafisana fanentanana mahakasika ny fahasahiana manao fitorohana.

 

Fanamafisana fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety manerana ny Nosy

Anisan’ireo mpisehatra manana ny anjara toerany ao anatin’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy ireo mpanao gazety. Ao anatin’ny tetikasa iarahan’ny Ecpat France Madagascar, ny Unicef ary ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia misy ny hetsika fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety natomboka tamin’iny taona 2024 iny, ary mbola mitohy hatramin’ity taona 2025 ity. Dingana maro, araka izany, no efa niarahana natanteraka. Anisan’izany ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady tamin’iny taon-dasa iny. Avy eo narahan’ny fampiofanana, sy fampivondronana maromaro taorian’izay. Tanjona ao anatin’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana hatrany ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady, indrindra ireo mpahazo ny ankizy eny amin’ny aterineto. Noho izany indrindra, nanazava omaly i Miora Ramiliarijaona izay talen’ny fampiofanana eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ankoatra ny teto Antananarivo dia vina ny hahafahana manome fiofanana ireo mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy, hatrany amin’ireo toerana lavitra indrindra, mba hahafahana manamafy ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady.

Omaly moa dia nisy indray ny fampivondronana ireo mpanao gazety teto Antananarivo mpiara-miasa amin’ny Ecpat France Madagascar. Tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady izay ankalazaina isaky ny datin’ny 04 martsa ny fanatanterahana izany. Io andro io izay nankalazaina maneran-tany nanomboka tamin’ny taona 2009 ary nomarihin’ny fikambanana nanomboka ny taona 2014. Ho an’ny Ecpat France Madagascar, hamafisina mandritra ity fankalazana ity ny asa efa natomboka ao anatin’ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy eny amin’ny aterineto.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer