Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMONOANA AN’I TAHINA TAO TOAMASINA: Hanao halazambo ireo nahavanon-doza ny EMMO/NAT

Manoloana trangana tsy fandriampahalemana miseholany ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, indrindra fa momba ilay nahafatesana zatovolahy iray antsoina hoe Tahina. Tsy niandry ela, fa nirotsaka an-tsehatra ny Emm/Nat. Hentitra ary nanome baiko ny fanaovana hazalambo tsy maintsy hanatrarana malaky ireo nahavanon-doza ny Emmo/Nat, izay efa any an-toerana tarihin’ny Jeneraly Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ,ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ary ny contrôleur général de Police Rakotozanany Dany Marius, Tale jeneralin’ny Polisimpirenena. Tiana ny manamarika fa nisy ny dinikasa notontosain’ny Hery fiarovana sy filaminana natao tao Toamasina, mba hamerenana haingana ny filaminana sy fandriampahalemana any an-toerana, mba hijerena ny paikady maharitra sady mahomby.

Tafiditra ao anatin’izany ny fisafoana amin’ny andro alina, indrindra amin’ireo faritra tena mafana, ka isavana ny karapanondro an’ireo mpandeha alina. Ankoatra ireo mpandeha an-tongotra amin’ny alina, hojerena koa ireo mpandeha anaty fiara na posy sao misy mitondra zavatra tsy ara-dalàna. Natao ireo rehetra ireo, mba hamerenana haingana ao anatin’ny fohy ny fahalemana, ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nanao antso avy ireo vahoaka ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana, mba hanome angom-baovao haingana sy marim-pototra. Raha misy zavatra mampisalasala na andian’olona tsy azo antoka, dia eo hatrany ny Hery fiarovana sy filaminana vonona handray andraikitra avy hatrany.   Tanjon’ny hetsika fampandriana fahalemana manokana ataon’ny Hery Fiarovana sy filaminana ao Toamasina na andro na alina dia ho fanamafisana ny fiarovana ny vahoaka sy hamerenena amin’ny laoniny haingana ny filaminana.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer