Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FADINTSERANANA MALAGASY: Nahatratra volamena 1,565 kg natao tany anaty fitombenana
Nahatratra vovo-bolamena saika ahondrana an-tsokosokoanaty fonosana madinika milanja 1,595 kg ary nafenina tany anaty fitombenana ny Fadintseranana omaly. Rehefa nampiahiahy ny Fadintseranana nandritra ny fanaraha-maso fanaony ilay teratany Indiana izay saika hiondrana tamin’ny sidina ET n°852 omaly ho any Dubaï dia nentina nanao fitsirihina tamin’ny alalan’ny Bodyscan ka hita tamin’ny scanner ny fonosan-javatra tany amin’ny faritry ny fitombenany.
Nentina tany amin’ny toeram-pivoahana avy hatrany ilay mpandeha ka nasaina namoaka ireo fonosana izay miisa 4 izay nahitàna vovo-bolamena rehefa nosokafana avy. Mitohy ny fanadihadiana hamantarana ny antsipirihin’ity tranga ity.
Ny Fanoratana.




