SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAMPIANARANA AMBONY : Taom-pianarana telo no tsy maintsy harindra miaraka

Isan’ny nasian’ny Filoham-pirenena resaka ny tontolon’ny fampianarana ambony, ny alahady teo. Efa nambarany tamin’izany fa ny 02 Novambra ho avy izao no fanombohan’ny taom-pianarana ho an’ny oniversite. Teo anatrehan’izany, nisy ny fivorian’ny filohan’ny oniversite sy ireo tale jeneralina IST eto amintsika, niaraka tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Nandritra izany no nahafantarana fa taom-pianarana telo no tsy maintsy harindra miaraka 2018-2019, 2019-2020, ary ny 2020-2021…

Sehatra anisany voakorontan’ny valanaretina Covid-19 ny tontolon’ny fampianarana ambony teto amintsika. Nikatso tanteraka ny fampianarana sy ireo hetsika rehetra teny anivon’ny oniversite mba ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny tokony ho izy ny sehatra rehetra. Ny Filoha Rajoelina Andry rahateo efa nilaza fa ny 02 Novambra izao no fanombohan’ny taom-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Ny talata teo, nivory tamin’ny alalan’ny “visioconférence” ny Filohan’ny oniversite enina sy ireo tale jeneralin’ny IST eto amintsika. Fihaonana izay nandinihana ny fanatanterahana iny fanapahan-kevitra iny, sy ny handrindrana ny asa rehetra. Nanazava ny teo anivon’ny minisitera tompon’andraikitra fa taom-pianarana telo no tsy maintsy harindra miaraka amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny 2018-2019 izay mbola nisy fakliote maro tsy nahavita. Eo koa ny 2019-2020, izay mbola tsy nanomboka akory tamin’ny ankapobeny. Ary farany ny 2020-2021, izay efa voakasika sahady koa tamin’ny fisian’ny valanaretina.

Ny 28 Septambra no hanomboka ny famaranana ny 2018-2019

Araka ny tatitra azo avy amin’ny Filohan’ny Oniversite, mila eo amin’ny efatra ka hatramin’ny enina herinandro ireo sampam-pampianarana na lalam-piofanana tsy nahavita ny taom-pianarana 2018-2019, hamaranana izany. Araka ny antontanisa, sampam-mpampianarana na lalam-piofanana efatra amin’ny folo no mbola tsy nahavita manotolo ny taom-pianarana 2018-2019, ho an’ny eto Antananarivo. Iray amin’ny valo kosa izany, ho an’ny ao Antsiranana, roa amin’ny valo ao Toamasina, telo amin’ny sivy ao Toliara. Araka izany, ny 28 septambre izao no manomboka ny famaranana ny taona 2018- 2019 ho an’ireo izay mbola tokony hanao izany, araka ny fanapahan-kevitry ny COPRIES. Etsy ankilany, efa nahavita izany zato isan-jato kosa ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga, ary ny IST Antananarivo, Antsiranana, Ambositra. Misy amin’ireo nahavita aza efa nanomboka kely ny taona 2019-2020 talohan’ny fihiboana, hoy ny fampitam-baovao. “Fampianarana hifanaraka amin’ny fanajana ireo fepetra amin’ny ady amin’ny covid-19 no ho ampiharin’ireo oniversite, ary hisy ny fanaovana « formation hybride » izay hita fa mifanaraka amin’ny fahamehana ara-pahasalamana”, hoy ny fanazavana. Tsara marihana fa efa lasa any amin’ireo oniversite enina avokoa ny vatsim-pianarana iray volana voalohany sy ny fampitaovana.

Tags
Fermer