Songadim-baovaoSosialy

FANAMARIHANA NY 8 MARSA AO MAHAJANGA : Zanaka honko 30 000 novolena tamina velarantany 2ha tao Boanamary

Tafiditra tanteraka tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika Mialy Rajoelina, ao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy any Mahajanga ny fambolena honko tao Boanamary – Distrika Mahajanga II omaly. Mitotaly 30 000 ireo zanaka honko novolena tamina velarantany 2ha. Niara-nientana tamin’ny fambolena izany ireo vehivavy miara-dia amin-dRamatoa Mialy Rajoelina anatin’izao fankalazana ny 8 marsa izao sy ireo fikambanam-behivavy ary Vondron’olona ifotony ao Boanamary.

Tsara ho fantatra fa manana anjara toerana lehibe amin’ny Fiarovana ny Tontolo iainana sady fototry ny fivelomana ho an’ny Mponina ao Boanamary – Distrikan’i Mahajanga II ny fisian’ny Ala honko. Marobe anefa ireo tsindry mahazo ny Ala honko izay vokatry ny ataon’ny zanak’olombelona ihany. Ny fanentanana ny mponina amin’ny maha zava-dehibe ny Fiarovana  ny honko araka izany no tena ifantohan’ny fiarahamonim-pirenena izay misehatra amin’izay ao amin’ny Faritra arovana Bombetoka sy Belomby. Ka ny firotsahana an-tsehatra izay ataon’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ity hetsika fanarenana ny Ala honko tao Boanamary ity dia fampirisihana ny mponina mba hiaro ity zava-maniry fototry ny fiveloman’ny mponina ity.

Anisan’ny Faritra mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny morontsiraka Avaratra sy avaratra Andrefana. Ka ny fisian’ny Ala honko dia miaro amin’ny fikahon’ny ranomasina sy miaro ny morontsiraka amin’ny rivodoza, izay antony maha zava-dehibe ny hetsika fanarenana ny Ala honko toy izao. Resy lahatra amin’ny fikajiana ny Tontolo iainana ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika ary isaky ny Fotoana fankalazana ny 8 marsa toy izao dia misy hatrany ny hetsika ara-tontolo iainana izay tafiditra anaty ny fandaharam-potoana.

Caravane médicale « Sarobidy ny aiko »

Tonga nitsidika ny caravane médicale « Sarobidy ny aiko », andiany manokana fankalazana ny 8 marsa teo amin’ny « bord » Mahajanga omaly ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina.  Sady fankaherezana ireo mponina mpisitraka no fanohanana ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miasa eny an-kianja, nanomboka tany Ambohidratrimo, Maevatanana, Tsaramandroso ary nifarana tao Mahajanga.

Raha ny tatitra avy amin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka dia maherin’ny 6000 ny olona tonga nanatona ny caravane médicale tao  Mahajanga ho an’ny tapakandro maraina fotsiny, raha toa ka manodidina ny 12 000 ireo noraisina an-tanana tamin’ireo toerana telo efa nandalovan’izy ireo.  Ny aretin’ny maso, ny aretin’ny reny sy ny zaza amin’ny  ankapobeny no tena nilaharana nandritra ity caravane médicale andiany faha-32 ity.

Nitsidika ireo tranoheva mirakitra ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy manerana ny Faritra 24 ihany koa ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika.  Anatin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao dia samy manasongadina ireo vokatra sy akora ary asa Tanana mampiavaka azy ireo Vehivavy isam-paritra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer