Songadim-baovaoSosialy

ANDRO RATSY TAO AVARATRA ANDREFAN’NY NOSY: Nivadika rivodoza, nahazo anarana “JUDE”

Nitombo hery ka nivadika ho rivodoza ilay faritra andro ratsy tao amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara ary nomena anarana ho “JUDE” tamin’ny sabotsy alina teo, araka ny filazana avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mialoha io tamin’ny sabotsy alina io anefa dia nisy fikorontanana hafa ihany koa hita tany amin’ny tendrony atsinanan’ny fari-dranomasina misy antsika, izay mivoatra haingana nialoha an’i Jude ka nomena anarana “IVONE”. Tsy hahakasika an’i Madagasikara hatreto io andro ratsy iray io.

Mahakasika manokana an’i Jude, tany amin’ny 300Km andrefana somary avaratra andrefan’i Besalampy no nisy ny foibeny omaly tolakandro tamin’ny 03 ora. Voasokajy ho “Tempête Tropicale Modérée” izy. Mitondra rivotra manodidina ny 80Km isan’ora, arahina tafiotra 110Km isan’ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ary mahafaka 25Km isan’ora. Mahakasika ny fizotrany dia tombanana hiditra an-tanety any Mozambika omaly alina na anio maraina i Jude, hoy ny teknisianin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Hivoatra an-tanety any izy ho an’ny anio alatsinainy sy rahampitso talata. Manomboka amin’ny alarobia kosa dia handrasana indray ny fiverenany ao amin’ny lakandranon’i Mozambika ary manambana ny morontsiraky ny Faritra Menabe sy Atsimo Andrefana eto Madagasikara. Misy moa ny sisan-drahona miaraka amin’i Jude izay mitondra rotsakorana any amin’iny faritra afovoany atsinanan’i Madagasikara iny. Mbola ho betsaka hatrany ny rotsakorana ka isan’ireo Faritra nahazo fampitandremana miloko mena amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana omaly ny tany Analanjirofo, Antsinanana sy Alaotra Mangoro.

Ato anatin’ny telo andro manaraka, araka izany, dia tombanana hihamaina miandalana ny any amin’ny faritra avaratra atsinanana sy avaratr’i Madagasikara hatramin’ny rahampitso, hoy ny Météo. Noho ny fiverenan’ny rivodoza ao amin’ny lakandranon’i Mozambika dia vinavinaina hivangongo kokoa any amin’ny ilany andrefana sy ny faritra sasan’ny afovoantany ary any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny ny orana, manomboka amin’ny alarobia hatramin’ny faran’ny herinandro.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer