Songadim-baovaoSosialy
MIALY R. RAJOELINA : Nametraka ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ny ankizivavy
Teo ambany fiahian'ny Vadin'ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy R. Rajoelina, ary notronon'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, vehivavy sy solon-tenan'ny fikambanam-behivavy avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no tonga tao Mahajanga niara-nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy.
Vehivavy maherin’ny 10 000 isa avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no vory lanona tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Boeny, Mahajanga, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisampirenena iadiana ny zon’ny vehivavy. Ny sabotsy teo, andron’ny 8 Marsa 2025, no ivon’ny fankalazana, izay teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy R. Rajoelina, ary notronon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
« Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny Vehivavy sy ny tovovavy rehetra », io no lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity. Niompana betsaka tao anatin’izany lohahevitra izany, araka izany, ny lahatenin’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, izay nitondra hafatra mafonja ho an’ireo sokajim-behivavy rehetra. Anisany nasiany tsindrimpeo ny mahakasika ireo Ankizivavy, izay nasongadina manokana tamin’ity taona ity. “Androany, dia tiako ny manamafy fa manana anjara toerana ianao, ry ankizivavy, manan-danja ny fanirianao, mendrika hotanterahina ny nofinofinao. Hatramin’izay dia noheverina ho haitraitra ny fanabeazana ny tovovavy. Marobe ireo voatery miala an-daharana an-tsekoly aloha loatra. Voafetra ho amin’ny andraikitra napetraky ny fiarahamonina ny hoaviny. Iarahantsika mahafantatra anefa fa mifanohitra amin’ny tokony ho izy izany !”, hoy Ramatoa Mialy R. Rajoelina, izay niantso ny rehetra hametraka ho zava-dehibe ny fanohanana ireo ankizivavy.
Nanararaotra ity fotoana ity ihany koa ny tenany nanaovana antso avo ho an’ireo Ray aman-dReny. “Ry Ray aman-dreny, Ianareo no tompon’ny lakile… Izao ankehitriny izao no anorenantsika ny hoavin’i Madagasikara, ary manomboka amin’ny fanabeazana ny zanantsika vavy izany. Tsy hitsahatra ny hanentana anareo aho hoe : « alefaso any an-tsekoly ny zanaka vavy ary tohano izy ho tafita hatramin’ny farany ». Ny ankizivavy dia matsilo saina. Ary ireo mitàna ny laharana voalohany any am-pianarana matetika dia ny vehivavy”, hoy ny fanentanana nataony. Mbola nampiany aza hoe “Aza terena hanambady aloha loatra izy. Aleo izy manova izao tontolo izao, toy izay hovain’izao tontolo izao amin’ny tsy rariny sy ny tsy fidiny…”.
Hetsika marolafy
Tsara ho fantatra fa asa mivaingana maro no notontosaina tany Mahajanga nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao. Nisy ny fikarakarana BOOTCAMP na « formation intensive » isika, izay nifantoka tamin’ny haitarika, ny fahaizana mitantana tetikasa, ary ny fandràharahana. Tovovavy miisa Dimanjato sy arivo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no nisitraka izany. Hita sy tsapa fa tanora malagasy vonona, hilofo, hivoatra sy hiavotra izy ireo. Teo ihany koa ny fanatanterahana hetsika ho an’ny tontolo iainana, nanadio ny “la plage”, nanatsara ny Tanàna tamin’ny alalan’ireo “cocotiers”. Notohizana koa ny tetikasa fanarenana ny ala honko, izay manampy amin’ny fiarovana ny nofon-tany sy ny rivodoza. Loharanonkarena ho an’ny vehivavy sy ny fianakaviana maro izay mivelona amin’ny jono sy ny hazan-dranomasina ny ala honko.
Ankoatra izay, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy koa ny “tranon’ny viavy mandroso”. “Toeran’ny fanantenana sy fanoitra ho an’ny ampitso tsy misy herisetra”, sehatra ahafahan’ny vehivavy mahazo torohevitra ara-psykolojika sy fampahafantarana ny zon’izy ireo. Tetsy ankilany, raha toa ka teto Antananarivo no niantombohan’ny fiarahamiasa tamin’ny Tetikasa HOPE dia anjaran’ireo ankizivavy mpianatra miisa telonjato (300) amin’ny kolejy sy lycée tao Mahajanga indray no nahazo fampiofanana. Ny lohahevitra nifampizarana dia ny hoe : “soratako ny hoaviko”, izay nanampy an’ireo ankizivavy hanana fatokisan-tena, ny fomba hanatrarana ny tanjona, hanana fahasahiana, ny fandraisana an-tanana ny safidy, ary ny ady amin’ny herisetra.



