PolitikaSongadim-baovao
FAMONOANA NY BEN’NY TANANAN’I MANGATABOAHANGY : Fiampangana efatra no nampidoboka am-ponja ireo olona 18 voarohirohy
Manoloana ny tranga namonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, izay nitana ny sain’ny mpanara-baovao, ankehitriny, nisy ny fitondrana fanazavana notanterahin'ny Tonia Mpampanoa Lalána omaly, eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona. Nomarihiny fa nahatratra 18 ireo olona niakatra fampanoavana, ny zoma 7 marsa lasa teo, ka loham-piampangana efatra no niampangana azy ireo.
Manoloana ny tranga namonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, izay nitana ny sain’ny mpanara-baovao, ankehitriny. Nisy ny fitondrana fanazavana notanterahin’ny Tonia Mpampanoa Lalána omaly, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, mikasika iny raharaha famonoana an’Itompokovavy Rasazy Ranivoarivony Narindraniaina, Ben’ny tanàna lany tao Mangatamboahangy, Distrikan’Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania. Nomarihiny fa nahatratra 18 ireo olona niakatra fampanoavana, ny zoma 7 marsa lasa teo, ka loham-piampangana efatra no niampangana azy ireo. Famonoana olona nomanina, izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-297, 298 ary 302 ao anatin’ny fehezan-dalàna fahamaizana no fiampangana voalohany. Faharoa, firaisana tsikombakomba momba izany famonoana olona nomanina izany, ka izany dia voatondro sy faizin’ny andininy faha-297, 298 ary 302. Ireo loham-piampangana roa voalohany ireo dia mahatonga hatrany amin’ny fanaovana asa terivozona mandra-pahafaty. Ny fahatelo, ny fihazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, izay voatondro sy faizin’ny adininy faha-96 ao anatin’ny lalàna 69.011 tamin’ny 22 jolay 1969, izay mety hahavoasazy ireo voampanga iray volana ka hatramin’ny enim-bolana. Ny farany kosa indray, dia ny fidirana amin’ny fikambanan’olon-dratsy, izay voatondro ao anatin’ny andiny 265, 266 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana amin’ireo voampanga, izay mitarika any amin’ny fanaovana asa an-terivozona mandra-pahafaty.
Singam-baovao nahafaha-nampiditra am-ponja
Ny mpanao fanadihadiana sy ny mpitsara mpanao famotorana dia manana singam-baovao, ka nahafahana nampiditra vonjimaika am-ponja ireo olona voarohirohy ireo, mandra-pahatonga ny fitsarana azy ireo. Anisan’izany ny antso an-tariby sy ny « SMS » nifanaovan’ireo mpaniraka sy ireo mpanatanteraka ny famonoana. Izany resaka an-tariby izany, dia ahatarafana sahady ny vesatra mianjady amin’ireo olona voampanga tsirairay. Nisy ireo voampanga no niezaka namafa ireo porofo ireo. Saingy rehefa natao ny fanadihadiana lalina, dia hita ny anjara andraikitry ny tsirairay voampanga ao anatin’ity raharaha ity, araka ny voalazan’ny Tonia Mpampanoa Lalána, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona. Mbola mitohy, araka izany ny fanadihadiana lalina momba ity famonoana ny ben’ny Tanàna lany tao amin’ny kaominina Mangataboahangy ity. Heverina ho toy ny mbola tsy meloka ny olona iray, raha tsy efa mivoaka ny didy raikitra momba ny sazy iampangana azy.
Pierre M.




