PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANODINKODINANA ZAVA-MAHADOMELINA « COCAINE » 200KG : Naharitra ora maro ny fanadihadiana ireo voarohirohy tetsy amin’ny PAC

Manamboninahitra ambony tompon’ny fibaikoana ao amin’ny zandary ao Nosy be sy zandary 6 ary zandary fototra iray mpanao famotorana amin’ny fandikan-dalàna miampy sivily 4 no voarohirohy ho nanao fanodikodinana zava-mahadomelina efa nogiazana milanja 200 kg any ho any. Omaly izy ireo no niakatra teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC). Araka ny fanadihadiana dia nanodidina ny tamin’ny 3ora tolak’andro omaly no nigadona teny amin’ny PAC 67ha ireo voarohirohy ireo hanaovana ny fanadihadiana. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola tsy nivoaka ny vokatry ny fihainoana azy ireo, izay andrasana amin’ity anio ity.

Raha ny tsiahivina ny fizotry ny zava-niseho, niainga tamin’ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny PAC, Rasoahanta Elysée, dia tamin’ny 2 aogositra 2024 no tratra teo am-pelatanana vehivavy 2 ireo valizy efatra izay feno zava-mahadomelina mahery vaika, cocaine, ary nilanja 250 kilao tao Nosy Be Hel Ville. Nanaovan’ny Compagnie territoriale fitanana an-tsoratra izany, ary nogiazana. Tamin’ny fotoana nikasan’izy ireo handorana ireo zava-mahadomelina ireo anefa dia nisy tsy hita popoka ny ampahany 200 kilao. Ny resaka nandeha eran’ny tanàna sy ny akom-baovao izay voaray no nahafahana namantatra izany.

Raha toa ka 250 kilao no voalaza tamin’ny voalohany fa tena lanja marina an’ireo zava-mahadomelina mahery vaika “cocaine” ireo, dia nanjary nolazaina indray  110. Izany hoe, nisy fifanoherana sy tsy fitoviana ny fanambarana izay nataon’ireo tomponandraikitra mpanao fanadihadiana, izany hoe, ny mpikaroka fandikan-dalàna sy ny mpikaroka ambony ny fandikan-dalàna. Izany indrindra no anisany singa nanaitra nahafahana nahita an’ilay fisiana fanodinkodinana.

Taty aoriana, noho ny fisian’izany tranga izany, dia nanapa-kevitra ny Fanjakana ny andefa cellule de brigade mixte, nanao ny fanadihadiana. Nijery ifotony ny zava-misy . Tamin’izany no nahafantarana  fa teo am-pelatanan’ireo manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimariam-pirenena no nisian’ny fanodinkodinana ireo entana efa nogiazana. Tsara ho fantatra fa ny PAC Antananarivo no voatendry, araka ny didy nivoaka avy tany amin’ny “cours supreme de Madagascar”, handray an-tanana ny raharaha. Nisy hatrany moa ny fifandraisana efa nisy tamin’ny tonia mpampanoa lalàna eo amin’ny PAC sy ny Section de recherché criminel.

Tsara ny manamarika fa misy raharaha kolikoly ao anatin’io raharaha io. Misy koa fanararaotam-pahefana. Ny fanadihadiana mety mbola anitatra izay mety ho voarohirohy. Hatreto, azo antoka ny anaran’ireo voarohirohy rehetra. Sivily efatra no voasaringotra.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer