Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina

LAKANA RENDRIKA TENY ANKAZOTOHO ANOSIMAHAVELONA: Vokatry ny fanaovana taingimbe, vehivavy iray hita faty omaly

Efa ahitana loza matetika eo amin’ny reniranon’Ikopa faritra Fasan’ny Karàna miampita eny Ankazotoho Anosimahavelona, hoy ny nambaran’ireo mponina eny amin’ny manodidina. Tampoka tamin’ny rehetra anefa ny tranga niseho tamin’ny takarivan’ny alatsinainy lasa teo. Lakana hazo mpampita olona eo amin’io toerana io no rendrika, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Lakana roa no niasa teo an-toerana tamin’io fotoana io ka ny iray hatosika hazo, ary sintonina tady kosa ny iray. Ity farany no tra-doza satria tapaka ny tady fisintona. Vao nanomboka nidiran’ny rano ny lakana dia ny mpamily no avy hatrany dia nitsoraka tanaty rano, hoy ireo nanatri-maso. Avy eo nitsoraka nanaraka izany ihany koa ireo mpandeha no sady nivadika ny lakana.

Tsy fantatra mazava ny isan’ny olona nentin’io lakana rendrika io. Araka ny fitantaran’i Solo izay nitondra ny lakana iray fatosika amin’ny hazo dia olona roa no avotrany tamin’io fotoana io. Nisy tamin’ireo mpandeha sasany no nahavita nanavotra ny tenany. Taorian’ny antso voarain’izy ireo dia tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina omaly hariva. Nanao ny asa fikarohana izay olona mbola mety tavela tao anaty rano izy ireo. Tsy nahitam-bokatra izany kanefa lehilahy iray no nilaza fa nahita avy teny ampita ny vadiny niaraka tamin’io lakana io nivadika. Notohizana omaly maraina ny fikarohana ka tamin’izany no nahitana ny vatana mangatsiakan’ny vehivavy iray 24 taona. Ankoatra ny fianakavian’io vehivavy maty an-drano io, tsy mbola nisy olona na fianakaviana nitaraina teny amin’ny fokontany teny an-toerana nilaza ho very havana. Araka izany dia heverina ho tsy misy olona hafa tokony ho karohina anaty rano intsony mahakasika io loza faharendrehana lakana io.

Ny taingimbe nataon’io lakana io no antony voalohany heverina ho nitarika ny faharendrehany. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny mpamonjy voina dia olona miisa 18 no indray nentin’io lakana io, mihoatra amin’ny isa tokony ho zaka. Raha vao mitaingina ny lakana aza dia avy hatrany dia idiran’ny rano ilay lakana, hoy ny mpamonjy voina, mainka fa hitondrana olona maro. Fotoana firavan’ny mpiasa mahabetsaka ireo mpiampita lakana moa teo amin’io manodidina ny 05 ora hatramin’ny 06 ora hariva io. Vokatr’izany dia mibosesika ny hitaingina lakana hatrany ny olona satria maika hamonjy fodiana, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany eny an-toerana. Zava-misy hatrany ny hoe tsy hay tohaina ny olona na dia miteny aza ny mpamily fa efa mihoatra ny olona tokony hoentiny. Araka ny fampitam-baovao voaray omaly hariva moa, nalefa natao fanadihadiana eny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava Anosy ilay mpamilin’io lakana rendrika io.

Lakana hazo avokoa no miasa mampiampita olona eo amin’io ranon’Ikopa mampifandray an’i Fasan’ny Karàna sy Ankazotoho Anosimahavelona io. Iray ihany no mba lakana vy. Ho fisorohana ny mety hiverenan’ny loza toy izao, hanamafy fepetra ny lehiben’ny fokontany eny an-toerana. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny habetsaky ny olona entin’ireo lakana. Eo ihany koa ny tokony hampiasana “gilet” satria rano no resaka eto. Farany ny fanamafisana fangatahana amin’ny Fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hametrahana tetezana eo amin’io toerana io, hialana amin’ny ambana ateraky ny fitaterana amin’ny alalan’ny rano toy izao.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer