Songadim-baovaoSosialyToekarena

ANDRY FOTOTRA HO AN’NY FAMPANDROSOANA (AFF): Hanampy amin’ny fanapariahana ny tetikasa Vary Safiotra

Vita sonia tamin’ny fomba ofisialy omaly Alakamisy faha 13 Martsa 2025 ny fanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA) sy ny fikambanana mpanao asa soa sy asa sosialy Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF).

Fitsinjovana manokana ny tantsaha sy ny fampandrosoana ny fari-piainan’izy ireo ary koa ny Fahavitantena ara-tsakafo no fotokevitry ny fiaraha-miasa. Ho fampiharana izany, ny AFF dia hanampy amin’ny fanapariahana ny tetikasa Vary Safiotra, hanome fanohanana ary hanara-maso ireo tantsaha amin’ny fampiasana teknika maoderina hahazoana vokatra tsara sy miabo.

Ramatoa Haingo Ravatomanga, Filoha Nasionaly ny Fikambanana  AFF, dia nanamafy fa mifanaraka tanteraka amin’ny tanjon’ny fikambanana  izay miantsehatra amin’ny fambolena ity tetikasa ity. “Ny AFF dia tsy manome trondro fa manome fintana. Ka mifanojo amin’ny fotokevitry ny AFF ny tetikasa Vary Safiotra, izay vinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Vonona izahay hanohana sy hanaparitaka ny tetikasa amin’ny faritra maro.”, hoy ny fanazavany.

Nanambara kosa Ramatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa, Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, kosa dia nanambara fa ny fifanarahana toy izao no ahafahantsika manaraka akaiky ny zava-misy eny ifotony sy miantoka ny fahombiazan’ny tetikasa. Zava-dehibe ho an’ny tantsaha ny fanohanana sy fanomezan-tanana ho amin’ny fandrosoana maharitra.”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer