Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA MIHARO OLONA TSY HITA : Nangalarina ny volabe 17 tapitrisa Ar, renim-pianakaviana iray tsy hita popoka

Tonga nitaraina teny amin’ny mpitandro filaminana ny ankizy mianadahy fa tsy hita ny renin’izy ireo, monina ao Ambalapamba, fokontany Ambalabe- Ouest II, kaominina ambonivohitra sy distrikan’ Antsohihy, nanomboka afakomaly. Nandray vola fisotroan-drononony niaraka tamin’ny  » rappel  » mitentina 17 tapitrisa Ar, ny dadan’izy ireo, ny alatsinainy lasa teo. Nampirimina tao an-trano io vola io satria hoentina hanamboarana trano. Teo anelanelam-potoana anefa, nampirina trano ny zanak’io ramatoa io ka nahakitika ny toerana misy an’io vola io. Hitan’ilay tovovavy iray namany, izay tsy misaraka aminy atao hoe Fara izany. Rehefa nisara-dia izy roa vavy mpinamana ireo dia niverina indray i Fara ka naka nangingina vola mitentina 5 tapitrisa Ar tamin’io vola io. Efa hividy zavatra hanamboarana trano, vao nijery lay vola Rtoa tompon-trano, ka nahita io vola io banga. Nitady an’ilay vehivavy antsoina hoe Fara avy hatrany izy, satria tsy nisy olona hafa nandalo tao amin-dry zareo afa-tsy izy nefa ny trano tsy vaky.

Tsy hita popoka…

Araka ny filazan’ io Rtoa kely Fara, izay nangalatra io vola io, dia nanaraka azy teny an-tsekoly fianarany eny amin’ny Lisea Rtoa Volahanta io nanontany ny volany, ka niaiky avy hatrany izy fa nangalatra ilay vola io . Nilaza ny toerana nanafenany azy, eny amin’ny kininina akaikin’ny Lisea ihany. Rehefa azony ny volany, dia nody niaraka tamin’ny Taksy manga io Rtoa Volahanta io, ary izy kosa niverina tao an-dakilasiny nanohy ny fianarany. Nanjavona anefa io Rtoa Volahanta io, ary tsy hita popoka  hatramin’zao. Rehefa nantsoin’ireo zanany ireo ny findain-dRtoa Volahanta io, dia indray mandeha ihany no azo antso, saingy feo kely an-dehilahy no nandray azy ka tsy azo antso intsony tafaran’io hatramin’zao. Efa nojeren’ny zandary niaraka tamin’ireo fianakaviany avokoa ny toerana rehetra mety ahitana an-dRtoa Volahanta io, nefa tsy nahitana azy eny hatramin’ ilay toerana voatondron’ i Fara fa nanafenany ilay vola. Nirahina niparitaka nitety trano amin’ny làlana izay eritreretina fa mety nandalovany ny fianakavian-dRtoa Volahanta sao mba hahazo loharanom-baovao,

Nandainga i Fara…

Efa natao ny ezaka rehetra azon’ny zandary niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny fokonolona natao nefa mbola tsy hita popoka Rtoa Volahanta hatramin’zao. Na dia zany aza dia mbola mitohy ny  » ratissage » izay iarahan’ny zandary sy ny fokonolona ary ny havany eny amin’ny toerana voatondron’ io Rtoa kely Fara io sy ny manodidina. Etsy andaniny, voaporofo fa mandainga Rtoa kely Fara mpangalatra vola. Satria misy ampahan’io vola nangalariny io mitentina 4.145.000 AR nafeniny tamin’ny namany antsoina hoe Aurélie, izay mpiray kilasy aminy ihany ao amin’ny Lisea Antsohihy. Ankoatra io, efa nividy Finday tao amin’ny tao Ambalabe Antsohihy, niaraka tamin’ny tovovavy mpiray kilasy aminy ihany, izay mitovy anarana aminy ihany koa i Fara io, mitentina 820.000 Ar. Rehefa niangaviana ny mpivarotra tao amin’ny tranombarotra dia nanaiky namerina io vola nividianan’i Fara finday io. Raha natambatra ny vola tafaverina dia, mitentina 4.960.000 Ar. Marihina fa rehefa tonga tao amin’ny biraon’ny Zandary ny  vadin-dRtoa Volahanta ,izay tsy hita popoka io afakomaly, dia nilaza ny tenany fa efa tamin’ny 28 Febroary 2025 no nandraisany « pension » niaraka tamin’ny  » installation  » izay mitentina 17 tapitrisa Ar, saingy tsy naterina teny amin’ny Banky satria efa hanamboarana trano. Mbola eo am-panisana ambin’ny vola nangalarin’i Fara io zareo amin’izao fotoana zao mba ahaizana ny tena vola sisa tsy hita.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer