Songadim-baovaoSosialy

FIAKARANA AMIN’NY LALAN’NY MPANDEHA AN-TONGOTRA: Kodiaran-droa miisa 200 tratra teny Ambohijatovo tao anatin’ny efatr’andro

 

Teo anatrehan’ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana hisorohan any tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny lafiny fifamoivoizana ho an’ny mpamily kodiaran-droa eto an-dRenivohitra, anisan’izany ny tsy fahazoana miakatra ny “trottoirs”, dia niroso tamin’ny be midina nanatanterahana fanasaziana avy hatrany ny Polisim-pirenena, tao anatin’ny efatra andro izay. Ireo mpitondra kodiaran-droa mihoa-pefy miakatra sy mandeha amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra no nanatanterahana izany, ka nahazoam-bokatra, omaly. Tao anatin’io andro vitsy io monja dia efa tafakatra 200 ny isan’ireo kodiaran-droa nandraisana fepetra avy hatrany, ary nanasaziana ny mpamiliny. Ireto farany, izay fantatra fa ninia niakatra sy nandeha tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny amin’ny lalana Ambohijatovo hihazo ny tonelina Ambanidia.  Marihina, fa fandaminana ny fifamoivoizana sy fampanajana ny lalàna no notanterahina tao anatin’izany hetsika izany ka ampiharina avy hatrany ny lalàna ho an’ireo izay minia mandika ny lalàn’ny fifamoivoizana, fa indrindra ireo mpitondra kodiaran-droa izay tena betsaka mpandika lalàna amin’izao fotoana.  Fantatra, fa anisany vaindohan-draharahan’ny Polisimpirenena hatrany ny fampanarahan-dalàna eny an-dalambe ho an’ny mpampiasa lalana rehetra, mba hisian’ny firindran’ny fifamoivoizana sy hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Hitohy hatrany io fanasaziana tanterahin’ny Polisimpirenena io ho an’ireo mpitondra “moto” minia mandika lalàna, ka tokony hitandrina sy hanaraka ny lalàna ny mpampiasa lalana rehetra. Hitohy amin’ny lalam-be hafa araka izany, ity fitsirihana fandikan-dalàna ataon’ny Polisy ity, ary tsy hitsitsiana izay tratra fa iharan’ny sazy avy hatrany. Anisany mampitaraina ny mpandeha an-tongotra ihany koa mantsy, ny eny Anosy mihazo an’Ambohidahy mankany amin’ny tonelina iny, izay hiantsoana ny fandraisan’andraikitry ny Polisy tahaka izao.

 

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer