Songadim-baovaoSosialy

VAOMIERAN’NY RANOMASIMBE INDIANA : Naseho ofisialy ny sary famantarana momba ny fivoriana an-tampony fahadimy

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy,  ny sary famantarana momba ny fivoriana an-tampony fahadimy, ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, izay i Madagasikara no handray azy. Andrasana ny fanamafisan’ireo vahiny nasaina momba ity fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ny 24 avrily ho avy izao. Nohazavain’ny Tale jeneralin’ny Raharaham-bahiny, Lanto Rahajarizafy, fa « noho ny lafiny toetr’andro izay nisiana rivodoza nifanesisesy, dia nanapa-kevitra ny Filohan’ny Repoblika, izay filoha mitarika ny fanomanana ity fivoriana ity, fa hafindra eto Antananarivo ny fihaonana an-tampony, izay hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato, raha tokony ho natao tany amin’ny faritra ».  Efa mandeha, araka izany, ny fikarakarana, izay hiaraha-miasa miaraka amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo minisitera voakasika. Nasongadiny hatrany fa efa fantatra amin’ny fomba tsy ofisialy ny fahatongavan’ireo vahiny nasaina, izay andrasana ny fanamafisana izany.

Anisan’ny mampiavaka ity fivoriana an-tampony ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ity, raha ny nambaran’ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Mercedes Ratsirahonana « fa ny Malagasy fatra-pandray vahiny. Noho izany, ho ampahafantarina amin’ireo Firenena manodidina ny fahaizantsika mandray vahiny, izay tahaka ny nataontsika tamin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy farany teo ». Ho asongadina, araka izany, ny fahaleovantenan’ny tsirairay, na eo amin’ny ara-tsakafo na ny ara-pivoarana, indrindra ny resaka angovo. Ireo singa rehetra ireo, dia mamaritra ny Politika ankapoben’ny Fitondram-panjakana malagasy, fa eo koa ny  eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana. Hisy koa ny fivoriana ara-toekarena sy ara-koltoraly hotontosaina, amin’io fihaonana an-tampmon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana io.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer