Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMONOANA AN’I TAHINA TAO TOAMASINA: Voasambotra i Lejay sy Lebaba, tompon’antoka
Mbola mitàna ny sain’ny maro hatrany ny mikasika ilay raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Tahina Randriamahefa, tany Ambolomadinika Toamasina. Tratra ireo nahavanon-doza, andro vitsivitsy taorian’ny nanokafana ny fanadihadiana, dia ireo roa lahy antsoina hoe “Lejay” sy “Lebaba”. Nitondra fanazavana nanazava ny sain’ny mpikirakira tambazotran-tserasera ny rain’i Tahina…
Mikasika ilay raharaha famonoana an’i Tahina Randriamahefa, tao Ambolomadinika Toamasina, ny ny 04 marsa 2025, tokony ho tamin’ny 09 ora sy 20 minitra alina, manoloana ny tranombarotra iray tao an-toerana dia fantatra, fa fanendahana miharo vono olona no tamin’ny alalana tsatok’antsy no nahazo ity tovolahy 23 taona ity. Namoy ny ainy vokatr’izany moa ity farany. Rehefa nandeha ny fikarohana sy ny fanagonam-baovaon’ny Mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimaria sy ny Polisim-pirenena amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza, dia izao nahitana vokatra izao. Voasambotry ny zandary tao Ampandrana Tsarakofafa, ny alakamisy 13 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, ny iray antsoina hoe Lejay. Ny zoma 14 martsa tamin’ny 07 ora maraina kosa, no voasambotra tao Antetezambaro, ny iray antsoina hoe Lebaba, 21 taona. Ity farany, izay fantatra, fa tafatsoaka ka nandeha niery tany Fenoarivo Atsinanana, ary niverina tao Toamasina.
Samy niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireto nandritra ny famotorana saravanonando nataon’ny tompon’andraikitra. Ny zandary sy Polisy ao Toamasina miaraka no misahana ny famotorana tamin’izany. Tamin’ny horonan-tsary fohy nataon’izy ireo moa no anisany nahalalana ihany koa, fa vokatry ny fisotrosotroana no antony nahatonga ny habibiana. Nikasa haka finday teny amin’i Tahina ihany koa izy ireo, ary nambara fa saika nanohitra izy no iny notsatotsatohan’izy ireo tamin’ny antsy iny. Tetsy an-kilan’izany, nitondra fanambarana fohy nentina nanazava ny sain’ny mpanara-baovao maro koa ny rain’i Tahina sy ny lehilahy iray niaraka taminy, izay nilaza fankasitrahana ny mpitandro filaminana manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fampandriana fahalemana ao Toamasina. Teo koa ny nambaran’ity nahitany masoandro, fa “tsy sitrapon’ireo olon-dratsy no nanao ireny zava-doza ireny fa noho ny alikaola”. Ity farany moa, izay nilaza fa nifampiresaka mivantana samirery tamin’ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana sy fahafatesan’ity zanany ity, nilazan’iretsy farany izany sy nentina nilazana ihany koa, fa tsy misy ambadika ireny tranga ireny.
Nangonin’i Stan R.



