
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANDROBANA “CASH POINT” TENY AMBOLOKANDRINA: Lasan’ny telo lahy ny vola 08 Tapitrisa Ar, voasambotra ny iray
Ora vitsy taorian’ny niparitahan’ilay horonantsary tao amin’ny tambazotran-tserasera mirakitra ny trangana fandrobana “cash point” niseho teny Ambolokandrina dia saron’ny Polisim-pirenena ny iray tamin’ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsy. Tsiahivina fa volabe mitentina 8 Tapitrisa Ariary no lasan’izy ireo tamin’izany…
13 andro taty aoriana dia tratra ny lehilahy iray fantatra fa isan’ireo telo lahy nandroba vola mitentina 08 tapitrisa Ariary tao amina Cash point iray teny Ambolokandrina. Ny alarobia 05 martsa, tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany antoandro teo no nisehoan’ity tranga ity, saingy noho ny fiparitahan’ny horonan-tsary taty aoriana, izay maneho azy telo lahy eo am-piketrehana sy fangalana ilay volabe ka nahamora ny fikarohana sy ny fisamborana azy. Sendra nivoaka kely niala ny tsena ny tompon’andraikitra tao no noararaotin’ireo tsivalahara. Toy ny totozy nilaozan-tsaka, araka izany, ireto olon-dratsy tsy nisaron-tava. Ny roa nisatroka fotsy niandry somary teo ivelany, ary ny iray nisikotra mora ilay kitapo kely nisy vola, rehefa nieritreritra fa tsy hisy hahita. Rehefa azon’itsy farany tokoa ny vola, dia nandeha nitsoaka toy ny tsy nisy na inona na inona ireto olon-dratsy. Mipetraka ny ahiahin’ny tompon-trano, fa mety nisy nampahalala ireto olon-dratsy ny amin’ny fisian’io kitapo kely misy vola io sy ny fitoerany. Ahian’ny tompon-trano ho misy ifandraisana tamin’io fandrobana ny 05 martsa io koa, ny nanesorana ireo fakan-tsary andrimaso teo ivelan’ny cash point izay nataon’olon-tsy fantatra tao anaty fotoan’ny fahatapahan’ny herinaratra. Marihina, fa ny finday misy vola sy ny fitoeram-bola dia tsy nisy voakitika, fa ilay kitapo kely tamin’ny fitoerany no nalain’io jiolahy io. Tsy niandry ela moa, fa ora maro vitsy taorian’ny nivoahan’ity horonan-tsary tao an-tambazotran-tserasera “facebook”, dia tratra ny iray tamin’ireto olon-dratsy, dia ilay niditra tao anatiny sy nisokitra ny vola tamin’ny kitapo kely. Teny Antohomadinika no nahasamborana azy io, raha ny fantatra. Miroso avy hatrany amin’ny fanadihadiana ny Polisim-pirenena, ary andrasana ny tohin’ity raharaha fandrobana cash point teny Ambolokandrina ity.
Nangonin’i Stan.R



