PolitikaSongadim-baovao
TAMBAZOTRAN-TSERASERA “FACEBOOK”: Lasa fanalam-baraka olona sy fanelezana tsaho ny eto amintsika
Raha fivoarana ara-teknolojia tokony ho azo trandrahina tsara hampandrosoana ny lafiny fihariana sy ny fiainam-piarahamonina amin’ny ankapobeny ny “Facebook”, dia zary lasa sehatra hanjakan’ny fanapariahana vaovao diso sy fanalam-baraka olona ny eto amintsika. Fiainana olona maro no simba vokatry ny famoaham-baovao ao amin’ny “Facebook”.
Mpandinika fiarahamonina iray nanaovanay fanadihadiana, taona vitsy lasa izay, no nilaza fa fitaovan-tserasera mbola mila ianaran’ny Malagasy ny mampiasa azy, ny Facebook. Mampametra-panontaniana tokoa hoe tena izao hampiasan’ny Malagasy azy izao ve no tena antom-pisian’ny Facebook hatrany am-piandohana? Sy ny hoe toy izao daholo ve ny ampiasan’ny firenen-kafa rehetra ity tambazotran-tserasera iray ity ? Amin’ny ankapobeny, dia fanelezana vaovao diso, tsy mitombina, tsaho, fanalam-baraka, famotehana fiainana olona, fitadiavana setriny maro avy any amin’ny olona, no betsaka ao amin’ny Facebook ankehitriny. Lasibatra amin’izany avokoa ny sehatra rehetra.
Ho an’ny omaly manokana izao dia nalaza sy niparitaka indray ny horonantsary mamoafady voalaza fa ahitana ny mpanakanto vehivavy malaza iray, izay niely eraky ny “Facebook”. Mazava ho azy, fiainana olona manokana izany, kanefa nisy ninia nanaparitaka tao amin’ny Tambazotra “Facebook”. Andro maromaro lasa ihany koa izay no nisy ny fanaparitahana sarina tovolahy iray voalaza fa tompon’antoka tamin’ilay tranga famonoana an’i Tahina Randriamahefa tao Toamasina, kanefa rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy izy akory ilay voakasika. Teo anatrehan’ireo tranga fanaparitahana sary, horonampeo na horonantsary mikendry fanalambaraka ao amin’ny tambazotran-tserasera izay nifanesisesy tato ho ato, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nampatsiahy fa melohan’ny lalàna mikasika ny ady heloka, ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, ny lalàna mifehy ny heloka an’abaka ny famoahana sy fanapariahana sary na horonantsary tsy nierana tamin’ny tompony (atteinte au droit à l’image) sy entina hanalana baraka azy (diffamation). Melohin’ny lalàna ihany koa ny fanalambaraka iniana atao aman’olona ho fanimbana ny fiainan’ny olona.
Ny lalàna mifehy ny heloka an’abaka manokana dia manamafy fa heloka ihany koa ny fizarana (partage) ny tranga izay voalaza etsy ambony. Tsiahivina fa zon’izay voakasika sy niharam-boina ny mitondra ny tranga manohintohina ny fiainany manokana eo anatrehan’ny Mpitandro Filaminana na koa eny amin’ny Fitsarana. “Ny Minisitera dia manameloka tanteraka ny fanaparitahana horonantsary izay mikasika ny fiainana manokan’ny tsirairay araka izay tranga miseho tato ho ato. Manentana hatrany ny Minisitera amin’ny fampiasana am-pahamendrehana ny tambazotran-tserasera sosialy”, hoy ny fanambaran’izy ireo omaly.
Etsy ankilany, lasibatra amin’ny fanelezana vaovao diso ao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook ihany koa ny tontolo politika eto Madagasikara. Misy mpikaraman’ady politika mihitsy ohatra avy amin’ny fanoherana minia manely tsaho sy lainga handotoana ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Misy ireo tsy mipetraka eto Madagasikara akory fa any ampitan-dranomasina saingy mandefa ranty manakorontana saim-bahoaka sy mitaona ny vahoaka hikomy, saika ho isan’andro. Tranga izay tena ilàna fandanjalanjana feno avy amin’ireo mpikirakira Facebook.




