Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMONOANA AN’I TAHINA RANDRIAMAHEFA : Notanana am-ponja vonjimaika ireo roa lahy nahavanon-doza

Nalefa am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy nahavanon-doza namono tamin’ny famonoana an’i Tahina Randriamahefa, tao Ambolomadinika Toamasina, rehefa niakatra Fampanoavana tao Toamasina, omaly. Raha tsiahivina, dia sivy andro taorian’ny tranga famonoana io no nahasamborana azy roa lahy ireto, dia ny alakamisy 13 martsa teo, tao Ampandrana Tsarakofafa, no voasambotra ilay antsoina hoe Lejay, raha ny zoma 14 martsa kosa, tao Antetezambaro, ilay hoe Lebaba. Ity farany moa, izay tafatsoaka niala lavidavitra an’i Toamasina, tany Fenoarivo Atsinanana, ary izy tafaverina tao Toamasina indray no iny noraisim-potsiny iny. Taorian’ny famotorana savaranonando nataon’ny Mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, dia io naroso teo anatrehan’ny Fampanoavana io. Olona vitsivitsy no efa nanaovana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, raha tsiahivina hatrany, ary izy roa lahy ireto no tratra farany sy niaiky ny heloka nataony. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto farany tamina horonan-tsary fohy moa, dia fantatra, fa noho ny tsy fahampian’ny toaka nosotroin’izy ireo no nahatonga azy indray nitady hevi-dratsy hafa, ary iny niantefa tamin’i Tahina iny. Nenina anefa, no voalazan’izy ireo fa nanjo taorian’izay raha nahare fa maty ilay niharam-boina. Tsatok’antsy maro tamin’ny vatany moa, no nahafaty an’i Tahina, anisan’izany ny teo amin’ny tratrany havia sy ny faritry ny lohany. Andrasana ny fotoam-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mikasika ity raharaha vono olona tao Ambolomadinika Toamasina ity.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer