Fanadihadiana Manokana
«CAMERA DE SURVEILLANCE» : Manomboka liana amin’ny fampiasana azy ny olon-tsotra
Nivoitra taorian’ny fiparitahan’ireo asan-jiolahy nahoraka tato ho ato ny lafiny tsara amin’ny fampiasana ireny «caméra de surveillance» ireny. Vokatr’izany dia tsikaritra teny anivon’ireo mpivarotra io fitaovana io fa manomboka liana amin’ny fanjifana izany ankehitriny ny olon-tsotra. Tsy latsaky ny olona folo isan’andro izy ireo no tonga manontany ny andinindininy momba ny fampiasana io fitaovana io, ho an’ny mpivarotra iray nitafa taminay.
Fitaovana hahafahana maka horonan-tsary, mizara sy mampita izany ny “caméra de surveillance” na “vidéosurveillance”. Azo hametrahana io fitaovana io avokoa na eny amin’ny toerana hifamezivezen’ny rehetra na any amin’ny tanànan’olon-tsotra. Amin’ny alalan’io fitaovana io dia azo atao tsara ihany koa ny manaraka avy lavitra ny horonan-tsary azo eny amin’ny manodidina ilay toerana nametrahana ny fitaovana. Io ilay antsoina hoe «télésurveillance». Ny horonan-tsary azo avy avy eo dia azo jerena sy ampiasaina tsara, azo tehirizana na ihany koa fafana. Tanjona amin’ny fampiasana ny “caméra de surveillance” moa ny hanaraha-maso ny fanajana ny fandriampahalemana, ny fitoniana, na ihany koa fanaraha-maso ny fanatanterahana asa sy dingana iray.
Raha hiverenana fohy ny tantaran’ny “caméra de surveillance” dia nanomboka tamin’ny ady lehibe faharoa tany no niandohany. Izany hoe tamin’ny fotoana nampiasana ny teknolojia ho fampiroboroboana ny fampianarana sy nentina nanohanana ny tafika fotsiny ihany. Nandritra io ady lehibe faharoa io, araka izany, dia nisy injenierana alemana antsoina hoe Walter Bruch, nametraka rafitrana “vidéosurveillance” voalohany. Nataony mba hanaraha-maso ny fiaingan’ny “fusée V-2” izany. Araka izany, nampiasaina tamin’ny fanaraha-maso ara-miaramila hatrany io teknolojia mamaly ny filàna amin’ny fandriampahalemana io.
Nivoatra hatrany moa ny fampiasana io fitaovana hahafahana maka horonan-tsary io. Niforona ny orinasa “Vericon” izay nijoro ho matihanina tamin’ny famokarana “caméra de surveillance”. Nataony nifanaraka tamin’ny filàn’ireo orinasa sy sehatra maniry ny hanamafy ny filaminana ao amin’izy ireo izany. Nanomboka niroborobo, noho izany, ny fanjifana io fitaovana io teo anelanelan’ny taona 1949 sy 1951. Tany am-boalohany, tsy mbola nisy ny fahafahana nitahiry ny horonan-tsary azo avy amin’ny “caméra”. Tsy maintsy nasiana olona nijanona foana, araka izany, any amin’ny toerana hitobian’ny horonan-tsary mba hahazoana manaraka ny zava-misy. Nahasarika olona maro hatrany ny fampiasana io fitaovana io, mba handresena ny tsy fandriampahalemana sy hanaraha-maso tranga amin’ny fotoana rehetra. Ohatra amin’izany ireo banky, ireo tranom-barotra sy ireo trano fonenana lehibe any ivelany. Nahaliana ny olon-drehetra ny fampiasana ny “caméra de surveillance” noho ny fahatsapan’izy ireo fa mirongatra ny trangana herisetra ary mila hatsaraina hatrany ny fandriampahalemana. Mitohy mandrak’ankehitriny io fitokian’ny rehetra amin’ny “caméra de surveillance” io.
Nahatrarana tranga maro
Hahafahana misoroka ny mety ho trangana fampihorohorona sy ny mety ho trangana herisetra rehetra ny fisiana «caméra de surveillance» amin’ny toerana iray. Ankilany, misy ihany anefa ny manohitra ny fampiasana io fitaovana io satria lazain’izy ireo fa manitsakitsaka ny fahalalahana sy manohitohina ny fiainana manokana ny fampiasana azy ireny. Any amin’ireo firenena mampiroborobo ny demokrasia, misy ny fametrahana rafitra manokana natao hanara-maso ny fampiasana ireny “caméra de surveillance” ireny, mba hamerana ny fampiasana azy amin’ny zavatra hafa.
Ho antsika eto Madagasikara manokana, naresaka tato ho ato ny lafiny tsara amin’ny fampiasana ireny “caméra de surveillance” ireny. Nahafahana nandrakitra ireo asa ratsy vitan’ireo jiolahy izany ka navadika ho porofo teny anivon’ireo mpitandro filaminana ho fikarohana ny marina. Ohatra amin’ireo tranga niseho tato ho ato ny teny Ambodiafontsy Ampitatafika izay nisehoana vaky trano sy fandrantrana olona tamin’ny alin’ny alakamisy 27 febroary 2025. Voarakitra an-tsary avokoa ny zava-niseho rehetra ka nanamora ny fahafantarana ny endrik’ireo jiolahy izany. Tany Toamasina indray, na somary nanjavozavo aza ny horonan-tsary azon’ny “vidéosurveillance” dia nanampy tamin’ny fitadiavana ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay tovolahy antsoina hoe Tahina, tamin’ny alin’ny 04 marsa lasa teo, ny fahazoana an-tsary ny zava-nitranga. Tsy ela fa vao tamin’ny alatsinainy teo no nisy fanafihana “cash point” teny Ambolokandrina ka mbola voarakitra an-tsary hatrany ireo jiolahy. Vokatry ny fisian’io sary io, ny harivan’io alatsinainy io ihany dia voasambotry ny mpitandro filaminana ireo mpanao ratsy. Resaka mandeha eny amin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana ny hoe tena tsara hananan’ny isan-tokantrano tokoa ve ny “caméra de surveillance”?
Olona hatramin’ny 10 isan’andro manontany…
Taorian’ny tafatafa nifanaovanay tamin’ireny mpivarotra «caméra de surveillance» teto an-drenivohitra ireny, tsikaritra fa manomboka mahaliana olona tato ho ato ny fanjifana io fitaovana io, hoy ireo mpivarotra, indrindra taorian’ireny tranga nahoraka ireny. Maro an’isa amin’izy ireo ny olon-tsotra. Ny mpanontany no tena betsaka, hoy i Mme Poussy mpivaotra io fitaovana io eny amin’ny Pavillon 403 Analakely. Midika izany fa mahaliana olona ny fampiasana azy, ary manomboka miakatra tsikelikely ankehitriny ny varotr’izy ireo. Olona 5 hatramin’ny 10 isan’andro no tonga mamantatra ny andinindininy momba ireny “caméra de surveillance” ireny eo amin’io toeram-pivarotana iray io isan’andro. Araka ny fanazavan’i Mme Poussy hatrany, tamin’ny volana desambra teo no nampandeha ny tsenan’ny “caméra de surveillance” ho azy ireo. Nahalafo fitaovana hatramin’ny 5 isan’andro izy ireo tamin’izany. Nangina ny tsena tamin’ny fiandohan’ny taona, kanefa manomboka miverina tsikelikely amin’ny tanjany indray izany ankehitriny. Heverina ho antony mahatonga izany ny fandraisana fanapahan-kevitra hampiasa io fitaovana io taorian’ireny tranga maro ireny.
Eo amin’io mpivarotra io hatrany, ahitana karazany maro ireo “caméra de surveillance” amidin’izy ireo. “Sahaza ho an’ny sokajin’olon-drehetra”, hoy hatrany ny fanazavana. Misy ny mamoaka sary azo jerena na any lavitra aza ilay olona, izay ahitana “caméra cachée” manomboka amin’ny vidiny 80 000Ar. Misy ihany koa ireo “caméra solaire” 250 000Ar sy 290 000Ar. Izany hoe “caméra de surveillance» mandeha amin’ny alalan’ny masoandro. Misy ny «caméra de surveillance» fatao any an-trano ahafahana mahita sary mivantana. Amin’ireo mpanjifa ireo fitaovana ireo, misy amin’izy ireo no orinasa miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana. Misy ihany koa ny olon-tsotra.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




