Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANANA AMBOARA ERANTANY 2026: Kihon-dalana ho an’ny Barea ny fihaonana amin’ny Les fauves anio

Hotanterahina anio amin’ny 7 ora ao amin’ny Kianja amin’ny kianja El Arbi Zaouli ao Maroc ny fifanintsanana eo amin’ny amboara erantany 2026, izay hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Les Fauves avy ao Rep. Centrafrique.

Kihon-dalana ho an’ny Barea an’i Madagasikara ity fihaonana amin’ny Rep Centrafrique ity, izay hamaritra ny ho avy sy ny fanantenana ho an’ny Malagasy. Ity no lalao ofisialy voalohany hiarahan’i Corentin Martins amin’ny Barea an’i Madagasikara. Izy moa dia nanome vahana tanteraka ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany handrafitra ny ekipam-pirenena. Mafy ny ady miandry ity mpanazatra vaovao ity satria, tsy mbola naharesy an’i Rep Centrafrique ny Barea an’i Madagasikara. Tamin’ireo lalao dimy nataon’ny roa tonta, intelo nandresy ny Rep Centrafrique, raha ny lalao farany dia lavo 2 no ho 0 ny Barea an’i Madagasikara natao tamin’ny 27 martsa 2023 teo amin’ny fifanintsanan’ny CAN.

Aorian’ity fihaonana amin’ny Rep Centrafrique ity dia hifandona amin’ny Ghana indray ny Barea an’i Madagasikara ny 24 marsa 2025 eo amin’ny andro faha-6 amin’ny fifanintsanana eo amin’ny amboara erantany 2026. Hiverina hilalao amin’ny Rep Centrafrique indray ny 01 Septambra 2025 ary fihaonana amin’ny Tchad no hamarana izany ny 08 Septambra 2025.

Raha tsiahivina ny filaharana dia, fahatelo ao amin’ny vondrona I misy azy i Madagasikara, manana isa 7, raha mitarika kosa i Comores sy Ghana izay samy manana isa 9.

Njaratiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer